إعدادات العرض
fa ny toetran'ny Mpaminany (S.W.A) dia ny Koroany
fa ny toetran'ny Mpaminany (S.W.A) dia ny Koroany
Tatitra azo avy amin'i Saad Ibn Hisham Ibn Aamir - rehefa niditra tao amin'i Aicha (R.A) : O! Ry Renin'ny mpino rehetra, ambarao Ahy ny toetran'ny Mpaminany (S.W.A), namaly izy hoe : Moa ve tsy mpamaky Koroany Anao? Niteny aho hoe : Eny, Dia niteny izy hoe : fa ny toetran'ny Mpaminany (S.W.A) dia ny Koroany.
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Tiếng Việt සිංහල ئۇيغۇرچە Kurdî Hausa Português മലയാളം မြန်မာ ไทย Deutsch 日本語 پښتو অসমীয়া Shqip Svenska Čeština ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá Nederlands తెలుగు Kiswahili தமிழ் دری Magyar Italiano ಕನ್ನಡ Кыргызча Lietuvių Română Kinyarwanda नेपाली Српски Soomaali Moore Українська Български Wolof Azərbaycan ქართული тоҷикӣالشرح
Nanontaniana renin'ny mpino A'ishat (R.A) momba ny toetran'ny Mpaminany (S.A.W), ka namaly izy amin'ny valinteny feno, ary namaly ilay mpanontany amin'ny Kor'any masina izay mamehy ny fahatsaran-toetra rehetra, niteny izy hoe : Ny toetrany dia ny Koroany masina, izay didy rehetra ao aminy dia notanterainy avokoa, ary izay rehetra noraran'ny Koroany dia nisitahany avokoa, ka ny toetrany dia ny fampiharana izany, ary mijoro amin'ny fetrany, ary mampihatra ny fahalalam-pomba rehetra ao anatiny Izy, ary maka lesona ihany koa amin'ireo ohatra sy ny tantara voarakitra ao.فوائد الحديث
Mamporisika amin'ny fakàna tahaka ami'ny Mpaminany (S.W.A) amin'ny fampiharany ireo toetra rehetra ao amin'ny Boky masina Koroany.
Fidokadokana ireo toetran'ny Mpaminany (S.W.A) ary izany tokoa dia niainga avy amin'ny faminaniana nisy teo aminy.
Ny boky masina Koroany dia loharanon'ny hatsaran-toetra rehetra.
Ny fitondran-tena ao amin'ny finoana silamo dia ahitana ny fivavahana manontolo amin'ny fanarahana ny baiko sy ny fialana amin'ny fandrarana.
التصنيفات
Toetra ara-moraly