إعدادات العرض
Tsy vetaveta, tsy tia vetaveta, tsy mitabataba eny an-tsena, ary tsy mamaly ratsy amin'ny ratsy, fa namela heloka sy nandefitra
Tsy vetaveta, tsy tia vetaveta, tsy mitabataba eny an-tsena, ary tsy mamaly ratsy amin'ny ratsy, fa namela heloka sy nandefitra
Tatitra azo avy tamin'i Abo Abdallah Al-Jadali niteny hoe : Nanontany an'i Aisha, renin'ny mpino silamo aho, momba ny toetran'ny irak'Allah (S.A.W), dia hoy izy namaly : Tsy vetaveta, tsy tia vetaveta, tsy mitabataba eny an-tsena, ary tsy mamaly ratsy amin'ny ratsy, fa namela heloka sy nandefitra.
الترجمة
العربية Bosanski English فارسی Français Русский 中文 हिन्दी Bahasa Indonesia اردو Hausa Kurdî Tiếng Việt অসমীয়া Nederlands Kiswahili සිංහල ગુજરાતી Magyar ქართული Română Português ไทย తెలుగు मराठी دری Türkçe አማርኛ বাংলাالشرح
Nanontaniana momba ny toetran'ny Mpaminany (S.A.W) i Aisha (R.A), renin'ny mpino, dia namaly izy : Tsy tao amin'ny toetrany ny vetaveta sy faharatsiana na tamin'ny teniny na asa nataony, ary tsy nanao vetaveta na ninia nanao izany izy, ary tsy mpitabataba nampiaka-peo teny an-tsena, ary tsy namaly ratsy amin'ny ratsy. Fa mamaly amin’ny asa soa Izy, mamela heloka ao anaty, mandefitra ary miala amin’izany ety ivelany.فوائد الحديث
Fanazavana momba ny fitondran-tena ambony nananan'ny Mpaminany (S.A.W) sy ny halavirany amin'ny fitondran-tena tsy mendrika.
Famporisihana hampihatra fitondran-tena tsara sy hialana amin'ny fitondran-tena ratsy.
Fanamelohana ny teny vetaveta sy ny teny ratsy.
Ny fampiakarana ny feo sy ny fitabatabana amin'ny olona dia voaheloka.
Famporisihana ny hamaliana ny ratsy amin'ny tsara sy ny famelana ary fandeferana.