Avelao izy roa, fa nanaovako tao anaty fahadiovana

Avelao izy roa, fa nanaovako tao anaty fahadiovana

Tatitra azo avy tamin'i Al-Moghìra (R.A), niteny izy : Niaraka tamin’ny Mpaminany (S.A.W) aho teny am-pandehanana, ka niondrika aho mba hanala ny kirarony, dia hoy izy hoe : “Avelao izy roa, fa nanaovako tao anaty fahadiovana” ka nisafoiny fotsiny.

[Sahih/Authentic.] [Al-Bukhari and Muslim. This is the wording of Al-Bukhari]

الشرح

Iray tamin'ireo dia nataony ny Mpaminany (S.A.W) dia nanao ozò izy. Raha tonga teo amin'ny fanasan-tongotra, dia naninjitra ny tànany i Al-Moghìrah ibn Sho’'bah (R.A) mba hanala ny kapa teny an-tongotry ny Mpaminany mba hanasany ny tongony! Hoy i Mpaminany (S.A.W) : Avelao izy ireo ary aza esorina, fa nataoko ao anaty ba kiraro ny tongotro ary efa madio aho. Ka nosafoin'ny Mpaminany (S.A.W) eo ambonin'ny Ba kirarony ho solon'ny fanasany ny tongony.

فوائد الحديث

Ny maha-aradàlana ny fisafona ny ba kiraro rehefa manasa ny tongotra amin'ny fahalotoana kely ihany, fa raha amin'ny fahalotoana lehibe kosa dia tsy maintsy manasa tongotra roa.

Ny fisafona dia atao indray mandeha amin'ny alàlan'ny fandefasana ny tànana mando eo an-tampon'ny ba kiraro fa tsy ny any ambany.

Takina amin'ny fisafona ny ba kiraro ny hanaovana azy aorian'ny fanaovana ozò feno tanteraka izay nanasany ny tongony tamin'ny rano, ary ny ba kiraro dia tokony ho madio, mandrakotra ny faritra tsy maintsy sasana amin'ny tongotra, ary ny fisafona azy dia amin'ny fahalotoana madinika fa tsy amin'ny fahalotoana lehibe izay tsy maintsy ilaina fandrona, ary tsy maintsy ao anatin'ny fotoana voatondron'ny lalàna, dia iray andro sy iray alina, ho an'ny olona eo an-toerana ary telo andro sy telo alina ho an'izay mandeha lavitra.

Ny zavatra rehetra mandrakotra ny tongotra, toy ny kiraro sy ny zavatra hafa, dia refesina ho tahaka ny kiraro avokoa, ary azo atao ny misafo azy ireo.

Nanana toetra sy fampianarana tsara ny Mpaminany (S.A.W) noho izy nanakana an'i Al-Moghirah tsy hanala ny kirarony, ary nazavainy taminy ny antony : Nanaovany madio izy ireny; Mba hampitony ny tenany, sy hahafantarany lalàna momba azy.