إعدادات العرض
ianao dia ho tonga eo anatrehan'ireo vahoaka olon'ny boky, ka rehefa tonga eo amin'izy ireo ianao dia antsoy mba hijoro vavolombelona fa tsy hanompo afa-tsy I Allah ary i Mohammad no irak'I Allah
ianao dia ho tonga eo anatrehan'ireo vahoaka olon'ny boky, ka rehefa tonga eo amin'izy ireo ianao dia antsoy mba hijoro vavolombelona fa tsy hanompo afa-tsy I Allah ary i Mohammad no irak'I Allah
Tatitra azo avy amin'i IBN ABBAS (R.a), niteny ka nanao hoe : Niteny i Mpaminany (S.A.W) rehefa nandefa an'i Moaz Ibn JABAL tany Yamen manao hoe : "ianao dia ho tonga eo anatrehan'ireo vahoaka olon'ny boky, ka rehefa tonga eo amin'izy ireo ianao dia antsoy mba hijoro vavolombelona fa tsy hanompo afa-tsy I Allah ary i Mohammad no irak'I Allah, ka rehefa nanaiky izany izy ireo, dia lazao amin'izy ireo fa I Allah no nandidy azy ireo vavaka in-dimy isan'andro, rehefa nankatoa izany, dia lazao fa I Allah nandidy ny famoahana ny fananan'ny mpanan_karena omen'ny mahantra eo amin'izy ireo, raha efa nankatoa izany dia mitandrema ianao amin'ny fananan'izy ireo, ary matahora ny vavaky ny olona voambaka, satria tsy misy mpanelanelana eo aminy sy ny tompo Allah".
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी ئۇيغۇرچە Kurdî Hausa Português മലയാളം తెలుగు Kiswahili မြန်မာ Deutsch 日本語 پښتو Tiếng Việt অসমীয়া Shqip Svenska Čeština ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá Nederlands සිංහල தமிழ் ไทย دری Akan Български Fulfulde Magyar Italiano ಕನ್ನಡ Кыргызча Lietuvių नेपाली or Română Kinyarwanda тоҷикӣ O‘zbek Azərbaycan Moore Wolof Oromoo Soomaali Українська bm km rn ქართული Македонски Српскиالشرح
Rehefa nandefa an'i Moaz Ibn JABAL (R.A) any Yamen i Mpaminany (S.A.W) ho mpiantso ny olona sy mpampianatra , dia nohazavainy fa izy dia hihaona amin'ireo vahoaka Kristiana, mba hiomanany amin'izany, ka hanomboka ilay fiantsoana amin'ny tena zava-dehibe izay vao manarak'izany. Ka hiantso azy ireo amin'ny famolavolana ny foto-pinoana aloha, amin'ny alàlan'ny fijorona vavolombelona fa tsy hanompo afa-tsy I Allah, ary i Mohammad (S.A.W) no irak'I Allah; Satria amin'ny alàlan'ny fitenenana izany no hidiran'izy ireo amin'ny finoana silamo, ka raha nampanarahin'izy ireo fanompoam_pivavahana izany, satria ny fanompoam_pivavahana no adidy goavana indrindra aorian'ny finoana sy fanokanana an'I Allah. Ka rehefa tanteraka izany, dia nodidina ny mpanan_karena amin'izy ireo hamoaka ny Zakat amin'ny harenany haverina any amin'ny mahantra, ka norarany ny fakana harena ankoatr'izay, satria izay ihany no voadidy. Avy eo dia nanariny mba hiataka ny fanambakana, mba tsy hanaovan'ilay voambaka fangatahana ratsy ho azy, Satria ny fa,gatahana ataon'ny voamabaka dia mivaly avy hatrany.فوائد الحديث
Dikan'ny fijoroana vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy i Allah dia fanokanana ny fanompoana ho an'I Allah irery ihany, ary fanambelana ireo fanompoana hafa ankoatra izany.
Dikan'ny fijoroana vavolombelona fa tsy misy tompo afa-tsy i Allah dia fanokananao ny fanompoana ho an'i Allah irery ihany, ary fanambelanao fanompoana hafa ankoatray.
Ny firesahana amin'ny olona manam-pahalalana dia tsy mitovy amin'ny olona tsy manam-pahalalana; izany no nahatonga an'ny Mpaminany (S.A.W) nilaza mialoha an'i Moaz hoe : "Hihaona amin'ny vahoaka olon'ny boky ianao".
Maha zava_dehibe ny fahaizan'ny mpino ny finoany, mba hialany amin'ireo fanosora_potaka ataon'ny mpanaratsy, ka izany azo avy amin'ny fitadiavana ny fahalalana.
Tsy manan-kery intsony ny finoan'ireo jiosy sy ny Kristiana aorin'ny fahatongavan'ny Mpaminany (S.A.W), ary izy ireo dia tsy isan'ireo olona avotra amin'ny andro fitsarana raha tsy miditra ao amin'ny finoana silamo, sy mino an'ny Mpaminany (S.A.W).
التصنيفات
Ny Islam