إعدادات العرض
Tsy misy biby, na vorona, na androngo, na tsintsina, fa mandosira ireo boka ianareo tahaka ny fandosiranao ny liona
Tsy misy biby, na vorona, na androngo, na tsintsina, fa mandosira ireo boka ianareo tahaka ny fandosiranao ny liona
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tsy misy biby, na vorona, na androngo, na tsintsina, fa mandosira ireo boka ianareo tahaka ny fandosiranao ny liona."
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी ئۇيغۇرچە Hausa Kurdî Kiswahili Português සිංහල دری অসমীয়া ไทย Tiếng Việt አማርኛ Svenska Кыргызча Yorùbá ગુજરાતી नेपाली Oromoo മലയാളം Română Nederlands Soomaali پښتو తెలుగు Kinyarwanda ಕನ್ನಡ Српски Moore ქართულიالشرح
Nanazava ny ampahany tamin'ireo zavatra talohan'ny finoana silamo ny Mpaminany (S.A.W), ho fampitandremana amin'izy ireo, ary ho fanazavana fa eo am-pelatanan'I Allah ny zava-drehetra, ary tsy misy zavatra mitranga afa-tsy didy avy Aminy fatrany, izany dia ny : Voalohany : Nino ny olona talohan'ny finoana silamo fa mifindra ho azy ny aretina; Noho izany dia nandrara ny mpaminany (S.A.W) ny finoana fa ny aretina dia mifindra ho azy avy amin'ny marary makany amin'ny olona hafa; Allah no mpandrindra izao tontolo izao; Izy no mampidina ny aretina sy manala izany, ary tsy tanteraka izany raha tsy amin’ny alalan’ny sitrapony sy ny lahatra avy Aminy. Faharoa : Raha hivoaka hivezivezy na hanao varotra ny olona talohan’ny Islamo, dia mandroaka ny vorona izy ireo, ka raha manidina miankavanana ilay vorona, dia manantena fahasoavana amin'izany izy ireo, ary raha manidina miankavia kosa dia mihevitra izy ireo fa loza izany ka mijanona, ka noraràn'ny Mpaminany (S.A.W) io fisalasalana momba ny vorona io, ary nasehony mazava fa finoana diso izany. Fahatelo : Miteny ny olona talohan'ny silamo hoe : Raha misy vorondolo milatsaka amin'ny trano iray, dia hisy loza hanjo ny olona ao aminy. Noho izany, noraràn'ny Mpaminany (S.A.W) finoam-poana amin'izany. Fahefatra : Voarara ny finoanoan-dratsy momba ny volana "safar", izay volana faharoa amin'ny tetiandro amin'ny volana Nolazaina fa ny safar dia : bibilava ao amin'ny vavony izay mamindra amin'ny biby fiompy sy ny olona, ka hoy izy ireo fa mifindra kokoa izany noho ny habokana; Nolavin'ny Mpaminany (S.A.W) izany finoana diso izany. Fahadimy : Nandidy izy mba hanalavirana ny olona voan’ny habokana toy ny fanalavirana ny liona, Izany dia ny fahamailona sy fitadiavana fiarovana sy fandraisana ireo fomba entina miaron-tena araka ny nandidian'I Allah ny amin'izany; Ny habokana dia aretina manimba ny rantsan'ny olombelona.فوائد الحديث
Takina ny tsy maintsy hananana fitokisana sy fianteherana amin’I Allah, ary manao ireo fomba ara-dalàna.
Takina ny tsy maintsy hinoana ny anjara sy ny lahatr’I Allah, ary eo am-pelatanan’I Allah ny antony rehetra hatanteraka izany, ary Izy no mahatonga izany na manaisotra ny vokany.
Fanafoanana ny finoanoam-poana ataon'ny sasany amin'ny loko, toy ny mainty sy mena, na amin'ny laharana sasantsasany, sy ireo anarana, ireo olona sy ireo manana fahasembanana.
Fandrarana ny fanakakaizana ny boka; tahak'izany koa ny fisitahana ireo olona misy aretina mifindra, izany dia isan'ny fomba mahazatra hoentina hanafoanana ny antom-pifindrany, ka ny fitandremana fotsiny dia tsy ampy, fa Allah kosa dia manaisotra ny heriny raha sitrany ka tsy hisy fiantraikany izany, ary raha sitrany dia tazoniny ary tena mandaitra.