إعدادات العرض
Tsy azo ataon'ny vehivavy silamo ny manao dia alina raha tsy misy lehilahy akaiky azy miaraka aminy
Tsy azo ataon'ny vehivavy silamo ny manao dia alina raha tsy misy lehilahy akaiky azy miaraka aminy
Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (ٍS.A.W) manao hoe : "Tsy azo ataon'ny vehivavy silamo ny manao dia alina raha tsy misy lehilahy akaiky azy miaraka aminy."
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी ئۇيغۇرچە Hausa Português Kurdî සිංහල Kiswahili Tiếng Việt অসমীয়া ગુજરાતી Nederlands മലയാളം Română Magyar ქართული Moore ಕನ್ನಡ Svenska Македонски ไทย Українська తెలుగు मराठी ਪੰਜਾਬੀ دری አማርኛ پښتوالشرح
Nanazava ny Mpaminany (S.A.W) fa voarara ho an'ny vehivavy silamo ny mandeha amin'ny dia alina raha tsy misy lehilahy havany miaraka aminy.فوائد الحديث
Hoy I Ibn Hajar : Tsy azo atao ny mandehandeha tsy misy havana akaiky ny vehivavy, ary izany dia marimaritra iraisana amin'ny raharaha hafa ankoatra ny Hajj sy ny Omrah, ary ny fialana amin'ny tranon'ny mpivavaka amin'ny sampy, ary ny sasany tamin'izy ireo dia nanao izany ho anisan'ny fepetran'ny Hajj.
Ny fahafenoan'ny lalàna silamika, ary ny fahavononany hiaro sy hitandro mandrakariva ny vehivavy.
Ny finoana an’IAllah sy ny andro farany dia mitaky ny fanekena ny lalàn’I Allah sy ny fijanonana ao anatin’ny fetrany.
Ny olona akaiky an'ny vehivavy dia ny vadiny na olona voarara tanteraka hanambady azy noho ny fihavanana, noho ny fampinonoana, na ny fanambadiana, ary izy io dia silamo olon-dehibe, manan-tsaina, azo itokisana. Ny tanjon'ireo havana akaiky dia ny miaro ny vehivavy, manampy azy ary mikarakara azy.
Al-Bayhaki dia nilaza momba ny fitantarana voarakitra ao anatin'ny fe-potoanan'ny dia izay tsy misy afa-tsy ny mahram ny vehivavy iray : Ny farany dia ny hoe ny zavatra rehetra atao hoe fandehanana dia voarara ny vehivavy tsy misy vady na mahram, na telo andro, roa andro, indray andro, na hafa. Araka ny fitantarana nataon’I Ibn Abbas, izay farany amin’ireo fitantaran’ny silamo teo aloha : {Tsy misy vehivavy mandeha afa-tsy miaraka amin’ny havany akaiky} ary izany dia mandrakotra izay rehetra atao hoe dia. Farany, ary io hadith io dia nifototra tamin'ny toe-javatra nisy ilay nanontany sy ny toeram-ponenany.