إعدادات العرض
I irak'Allah (S.A.W) dia niteny tamin'ny fiankohofany hoe : "Allah ô, mamelà ny fahotako rehetra, madinika sy lehibe, ny voalohany sy ny farany, ary ny ampahibemaso sy ny miafina
I irak'Allah (S.A.W) dia niteny tamin'ny fiankohofany hoe : "Allah ô, mamelà ny fahotako rehetra, madinika sy lehibe, ny voalohany sy ny farany, ary ny ampahibemaso sy ny miafina
Tatitra azo avy tamin'i Abo horaira (R.A) niteny : I irak'Allah (S.A.W) dia niteny tamin'ny fiankohofany hoe : "Allah ô, mamelà ny fahotako rehetra, madinika sy lehibe, ny voalohany sy ny farany, ary ny ampahibemaso sy ny miafina."
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Hausa Kurdî Português සිංහල Kiswahili অসমীয়া Tiếng Việt ગુજરાતી Nederlands മലയാളം Română Magyar ქართული Moore ไทย Македонски తెలుగు मराठी Українська ਪੰਜਾਬੀ دری አማርኛالشرح
Nitalaho nandritra ny fiankohofany ny Mpaminany ka niteny manao hoe : (Allah ô, mamelà ny fahotako) amin’ny fanafenana azy, ary arovy amin’izany aho. Koa mamelà ny heloka, ary fafao (izy rehetra), ny tiako ho lazaina amin'ny hoe : (izy rehetra) dia ny kely sy ny vitsy, (ary ny ngeza) lehibe sy ny maro, (ary ny fiandohany) ny fahotana voalohany, (ary ny fiafarany), ary izay misy eo anelanelany (ny mibaribary sy ny miafina) izay tsy misy mahalala afa-tsy Ianao, ny voninahitra anie ho Anao.فوائد الحديث
Hoy I Ibn al-Qayyim : Nangataka famelan-keloka izy, na kely na lehibe, na an-tsipirihany na ankapobeny, na voalohany sy farany, na miafina sy ampahibemaso, ka izany milaza ny fandrakofan'ny fibebahana noho ny zavatra fantatry ny mpanompo momba ny fahotany sy ny tsy fantany.
Voalaza fa ny hoe : “Al-Daqq” no nomena laharam-pahamehana noho ny “Al-Jal”. Satria ny mpanontany dia mihamitombo amin'ny fanontaniany, izany hoe mandroso izy, ary satria matetika ny fahotana lehibe dia avy amin'ny fiziriziriana amin'ny kely sy ny tsy firaharahiana azy, dia toy ny hoe fitaovana amin'ny fahotana lehibe izany, ary zon'ny fitaovana ny manome porofo sy fisandratana.
Mifona amin’I Allah ilay Tsitoha sy mangataka famelan-keloka amin’ny fahotana rehetra, na kely na lehibe.
Hoy i Al-Nawawi : Izy io dia mirakitra ny fanantitranterana ny fitalahoana sy ny teny maro, na dia tsy mahasoa ny hafa aza ny sasany amin'izy ireo.