Tsy misy fanomezana mampihena ny harena, ary tsy mampitombo ny voninahitry ny mpanompo iray Tompo Allah afa-tsy amin'ny famelana misy teo aminy, ary tsy misy olona manetry tena eo anatrehan'Allah afa-tsy hanandratra azy Tompo Allah

Tsy misy fanomezana mampihena ny harena, ary tsy mampitombo ny voninahitry ny mpanompo iray Tompo Allah afa-tsy amin'ny famelana misy teo aminy, ary tsy misy olona manetry tena eo anatrehan'Allah afa-tsy hanandratra azy Tompo Allah

Arakan'ny petra-bolana izay notaterin'ny Abo-Horairah (R.d), fa ilay Iraka mahafatokin'i Tompo 'Allah (S.W.A) Nilaza ka nanao hoe : "Tsy misy fanomezana mampihena ny harena, ary tsy mampitombo ny voninahitry ny mpanompo iray Tompo Allah afa-tsy amin'ny famelana misy teo aminy, ary tsy misy olona manetry tena eo anatrehan'Allah afa-tsy hanandratra azy Tompo Allah."

[Sahih/Authentic.] [Muslim]

الشرح

Ny Mpaminany (saw), dia manazava fa ny fanomezana dia tsy mampihena ny harena, fa manafoana ny ratsy, ary Tompo Allah dia manonitra ny manome azy amin'ny hatsaram-panahy lehibe, ka izany dia fitomboana fa tsy fampihenana. Ny famelan-keloka, miaraka amin'ny fahafahana mamaly faty na mitazona azy ho tompon'andraikitra, dia mampitombo hery sy fahamendrehana fotsiny. Tsy misy olona manetry tena ka manolotra ny tenany ho an’Allah fa tsy noho ny tahotra olona, na noho ny fangorahana azy, na noho ny fitadiavana fahasoavana avy aminy, afa-tsy hoe ny fisandratana sy ny haja no valisoany.

فوائد الحديث

Ny hatsarana sy ny fanambinana dia mitoetra amin'ny fanarahana ny lalàna Sharia sy ny fanaovana soa, na dia mihevitra aza ny sasany fa mifanohitra amin'izany.