“ Na iza na iza miaro ny voninahitry ny Rahalahiny, dia hiaro ny Afo amin’ny Tavany i Tompo Allah amin’ny Andro ny fitsanganana amin’ny maty ”

“ Na iza na iza miaro ny voninahitry ny Rahalahiny, dia hiaro ny Afo amin’ny Tavany i Tompo Allah amin’ny Andro ny fitsanganana amin’ny maty ”

Tatitra azo avy tamin'i Bou Darda'i (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “ Na iza na iza miaro ny voninahitry ny Rahalahiny, dia hiaro ny Afo amin’ny Tavany i Tompo Allah amin’ny Andro ny fitsanganana amin’ny maty ”.

[Mari-pototra] [Notantarain'i Al-Tirmizì sy Ahmad]

الشرح

Manazava sy milaza Amintsika i Mpaminany (S.W.A) fa na iza na iza ambaratonga ny Olona mitsangana ka miaro ny voninahitry ny Rahalahiny Isilamo rehefa sendra tsy eo Izy amin'ny fisakanana Azy tsy hanakiana na hanevateva Azy dia hosoron'i Tompo Allah, ny sazy amin'ny Andro fitsanganana amin'ny maty.

فوائد الحديث

Fandrarana ny fitenenana mombamomba ny voninahitry ny Mpino Isilamo.

Ny valisoa dia mitovy tantana amin’ny Asa izay natao, fa izay miaro ny voninahitry ny Rahalahiny, dia hiaro azy amin’ny helo i Tompo Allah.

Ny Finoana Isilamo dia fivavahan'ny firahalahiana sy fanohanana eo amin'ny samy vahoakany.

التصنيفات

Ny hatsarana sy ny fahalalam-pomba, Ny fitondran-tena tsara