Ny mpino iray noho ny hatsaran-toetra anànany dia hahazo voninahitr'ireo mpifady hanina amin'ny atoandro sy mpivavaka amin'ny alina

Ny mpino iray noho ny hatsaran-toetra anànany dia hahazo voninahitr'ireo mpifady hanina amin'ny atoandro sy mpivavaka amin'ny alina

Tatitra azo avy amin'i Aicha (R.A) niteny : Izaho naheno an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : "Ny mpino iray noho ny hatsaran-toetra anànany dia hahazo voninahitr'ireo mpifady hanina amin'ny atoandro sy mpivavaka amin'ny alina".

[Sahih/Authentic.] [Abu Dawood]

الشرح

Nanazava ny Mpaminany (S.A.W) fa ny toetra tsara dia mitondra ny tompony amin'ny toeran'ny olona mifady hanina tsy tapaka mandritra ny andro sy mivavaka amin'ny alina, ary ny fitambaran'ny hatsaran-toetra dia : fanaovana ny tsara, fitenenana ny tsara, fitsikitsikina amin'ny tarehy, tsy manao ratsy ny hafa, miaritra izay ratsy ataon'ny olona.

فوائد الحديث

Ny maha-zava-dehibe ny fitandrovan'ny finoana Islam amin'ny fanadiovana sy fahalavorariana ny fitondran-tena.

Ny fahasoavan'ny hatsaran-toetra, dia mitondra ny olona mandra-pahatongany eo amin'ny voninahitry ny olona mifady hanina ka tsy mihinana mihitsy ary izay mivavaka amin'ny alina tsy mba reraka.

Ny fifadian-kanina antoandro sy ny fivavahana amin'ny alina dia asa roa sarotra ho an'ny fanahy, ary ny olona manana fitondran-tena tsara dia tonga amin'ny haavony satria miezaka amin'ny tenany amin'ny fiarahamiasa tsara izy.