Tsy misy mpino silamo roa mifanena sy mifandray tànana afa-tsy hoe mahazo famelan-keloka alohan'ny hisaran'izy roa

Tsy misy mpino silamo roa mifanena sy mifandray tànana afa-tsy hoe mahazo famelan-keloka alohan'ny hisaran'izy roa

Tatitra azo avy amin'i Barra (R.A), Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tsy misy mpino silamo roa mifanena sy mifandray tànana afa-tsy hoe mahazo famelan-keloka alohan'ny hisaran'izy roa."

[Marina amin'ny fomba nitaterana rehetra] [Notantarain'I Abo Daòd, Al-Tirmizì, Ibn Màjah ary Ahmad]

الشرح

Nanambara ny Mpaminany (S.A.W) : Raha misy mpino silamo roa mifanena amin'ny làlana na ny toy izany, ka miarahaba ny iray amin'ny fifanomezan-tànana ny iray hafa, dia havela ny helok'izy roa alohan'ny hisarahan'izy roa ara-batana na rehefa nanala ny tànany.

فوائد الحديث

Tsaratsara ny mifandray tànana rehefa mifanena, ary famporisihana amin'izany.

Hoy i Al-Manawi : Tsy azo ny fahasoavan'ny Sonnah raha tsy amin'ny fametrahana ny tànana havanana eo amin'ny tànana havanana, raha tsy misy fialan-tsiny.

Famporisihana hanaparitaka ny fiarahabana, ary fanazavana lehibe momba ny valisoa azon'ny mpino silamo nifandray tànana tamin'ny rahalahiny silamo.

Navahana amin'ny hadith ny fifandraisan-tànana voarara, toy ny fifanomezan-tànana amin'ny vehivavy vahiny.

التصنيفات

Vokatsoan'ny asa soa, Fahalalampomba amin'ny fiarahabana sy ny fierana