إعدادات العرض
Ny finoana dia ho simba tsikelikely ao am-pon'iray Aminareo tahaka ny fahasimban'ny lamba tonta, ka mangataha amin'i Tompo Allah Ianareo mba hanavao ny finoana izay ao am-ponareo
Ny finoana dia ho simba tsikelikely ao am-pon'iray Aminareo tahaka ny fahasimban'ny lamba tonta, ka mangataha amin'i Tompo Allah Ianareo mba hanavao ny finoana izay ao am-ponareo
Tatitra azo avy amin'i Abdoullahi Ibn Amrou Ibn Al-Aasi (R.D), fa Niteny i Mpaminany (S.W.A) manao hoe : " Ny finoana dia ho simba tsikelikely ao am-pon'iray Aminareo tahaka ny fahasimban'ny lamba tonta, ka mangataha amin'i Tompo Allah Ianareo mba hanavao ny finoana izay ao am-ponareo ".
[Mari-pototra] [Notantarain'i Al-Hàkim sy Al-Tabaràni]
الترجمة
العربية English မြန်မာ Svenska Čeština ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá Nederlands اردو Español Bahasa Indonesia ئۇيغۇرچە বাংলা Türkçe Bosanski සිංහල हिन्दी Tiếng Việt Hausa മലയാളം తెలుగు Kiswahili ไทย پښتو অসমীয়া Shqip دری Ελληνικά Български Fulfulde Italiano ಕನ್ನಡ Кыргызча Lietuvių or Română Kinyarwanda Српски тоҷикӣ O‘zbek नेपाली Moore Kurdî Oromoo Wolof Soomaali Français Azərbaycan Tagalog Українська bm தமிழ் Deutsch ქართული Português Македонски Magyar فارسی Русский 中文الشرح
Milaza sy mampafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa ny finoana dia ho simba tsikelikely ao am-pon'ny Mpino iray ary mihamarefo sy malemy tahaka ny lamba vao iray rehefa efa ela dia ela ny nampiasaina Azy; Ary izany dia noho ny tsy fahampian'ny fanompoana, na koa vokatrin'ny fanatanterana ireo fahotana ary ny filomanosana ao anaty fahafinaretana. Nanome toromarika Antsika i Mpaminany (S.W.A) mba hangataka amin’i Tompo Allah ny mba hanavao ny finoantsika, amin’ny fanaovana sy fanatanterahana an'ireo didy, sy ny fahatsiarovana Azy matetika ary ny fangatahana famelan-keloka Aminy.فوائد الحديث
Famporisihana ny mba hangataka amin’i Tompo Allah ny mba hanamafisany fatratra ny fiorenana sy hanavaozany ny finoana ao Am-po.
Ny finoana dia teny sy asa ary fitokisana, mitombo amin'ny alàlan'ny fankatoavana ary mihena amin'ny fahotana.
التصنيفات
Ny fitomboan'ny finoana sy fihenany