إعدادات العرض
Tsy ho tonga no tsy higadona ary tsy ho avy mihitsy ny fara-Andro mandra-piposahan’ny masoandro avy any andrefana, ka rehefa miposaka ny Andro ka hitan’ny Olona avokoa izany fiposahany avy any andrefana izany, dia eo vao lasa hino avokoa izy rehetra
Tsy ho tonga no tsy higadona ary tsy ho avy mihitsy ny fara-Andro mandra-piposahan’ny masoandro avy any andrefana, ka rehefa miposaka ny Andro ka hitan’ny Olona avokoa izany fiposahany avy any andrefana izany, dia eo vao lasa hino avokoa izy rehetra
Tatitra azo avy tamin'i Abou Houraira (R.D) : Niteny i Mpaminany (S.W.A) ka nanao hoe : " Tsy ho tonga no tsy higadona ary tsy ho avy mihitsy ny fara-Andro mandra-piposahan’ny masoandro avy any andrefana, ka rehefa miposaka ny Andro ka hitan’ny Olona avokoa izany fiposahany avy any andrefana izany, dia eo vao lasa hino avokoa izy rehetra. Amin'ny fotoana izay : { Tsy hisy tombotsoa ny finoana Azy ho an'ny Olona izay tsy nino teo aloha, na izay tsy nahazo valisoa na kely aza tamin'ny finoany } [ Al-Ana'm 158]. Ary hitsangana ny Andro farany ka ny lehilahy roa namelatra ny lamban'izy roa eo anelanelany, ka tsy nifampivarotra na koa namalona izany. Ary ho tonga ny Andro farany ka ny lehilahy iray avy nitery ronon-drameva ka tsy tafisotro izany ary hitsangana tokoa ny ora farany ary nanamboatra kamorondranony nefa tsy tafisotro akory, Ary ho avy ny fotoana farany izay hanandratan’ny anankiray Aminareo ny haniny ho eo am-bavany nefa tsy hihinan-kanina.”
الترجمة
العربية English မြန်မာ Svenska Čeština ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá Nederlands اردو Español Bahasa Indonesia ئۇيغۇرچە বাংলা Türkçe Bosanski සිංහල हिन्दी Tiếng Việt Hausa മലയാളം తెలుగు Kiswahili ไทย پښتو অসমীয়া Shqip دری Ελληνικά Български Fulfulde Italiano ಕನ್ನಡ Кыргызча Lietuvių or Română Kinyarwanda Српски тоҷикӣ O‘zbek नेपाली Moore Kurdî Oromoo Wolof Soomaali Français Azərbaycan Tagalog Українська bm தமிழ் Deutsch ქართული Português Македонски Magyar فارسی Lingala Русский 中文الشرح
Mampahafantatra ilay Iraka mahafatokin'i Tompo Allah (S.W.A) fa anisan'ireo famantarana lehibe manoloana ny amin'ny fisiany Andro farany dia ny fiposahan'ny Masoandro avy any andrefana fa tsy avy any atsinanana intsony, ary rehefa hitan'ny Olona rehetra izany dia hino avokoa izy ireo. Ka amin'ny izany fotoana izany, dia tsy hahasoa an'ireo rehetra tsy Mpino ny finoan'izy ireo, ary tsy hahasoa azy ireo intsony ihany koa ny asa soa izay nataon'izy ireo na ny fibebahana sy ny fiverenana amin'ny Tompo Allah. Avy eo dia Nampafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa ny ora farany dia tsy maintsy hiseho sy hitranga ary tsy maintsy ho tonga amin'ny endrika tampoka; ho tonga tokoa izany ary ny Olombelona dia eo ampanaovana ny raharahan'izy ireo sy ny zavatra mahazatra azy ireo andavanandro. Ka ho tonga ny Andro farany, ka ny mpivarotra sy ny mpividy dia samy efa namelatra ny lamban'izy roa avokoa, ka tsy nifampivarotra na koa namalona izany. Ary ho tonga ny Andro farany ka ny lehilahy iray efa naka ny ronon'ny ramevany nefa tsy tafisotro izany akory, Ary ho tonga ny Andro farany ka ny lehilahy dia eo ampanamboarana ny tavin-dranony ka tsy tafisotro izany akory. Ary ho tonga ny Andro farany ary ny lehilahy iray mampiakatra ny sakafony any am-bavany hihinana izany nefa tsy tafihoaniny indray akory ilay sakafo.فوائد الحديث
Ny finoana Islamo sy ny fibebahana dia azo ekena raha mbola tsy miposaka avy any andrefana ny Masoandro.
Famporisihana ny fiomanana amin’ny Ora farany amin’ny alàlan'ny finoana sy ny asa tsara; Satria na ho ela na ho aingana fa tsy maintsy ho tonga tampoka ny Ora farany.