Izay manamboatra moske ho an’Allah, Allah dia hanamboatra tahaka izany ao amin’ny Paradisa ho azy”

Izay manamboatra moske ho an’Allah, Allah dia hanamboatra tahaka izany ao amin’ny Paradisa ho azy”

Tatitra azo avy tamin'i Mahmòd bin Labìd (R.A) : Te hanamboatra moske i Othmàn bin Affàn, saingy tsy tian’ny olona izany, ary tian'izy ireo dia ny hametrahana azy toy ny teo aloha, dia hoy izy : Nandre ny irak’Allah (S.A.W) aho niteny hoe: “Izay manamboatra moske ho an’Allah, Allah dia hanamboatra tahaka izany ao amin’ny Paradisa ho azy”.

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

الشرح

Naniry ny hanavao indray ny Moske an'ny Mpaminany (S.A.W) amin'ny fomba tsara kokoa noho ny fanorenana voalohany i Othman bin Affan (R.A), saingy tsy tian'ny olona izany. Noho ny fiovan'ny endrin'ilay moské amin'ny fomba nanorenana azy tamin'ny andron'ny Mpaminany (S.A.W), ny moske tamin'izany dia naorina tamin'ny fotaka, ary ny tafony dia vita tamin'ny ravin-kazo, fa i Othman kosa naniry mba hanorenana azy amin’ny vato sy ny hazo, ka nilaza tamin’izy ireo i Othman fa nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny hoe : Izay manangana moske mitady ny fifalian'i Allah tsy misy fizahozahoana na mila laza, Allah dia hamaly soa azy amin’ny valisoa tsara indrindra amin’ny karazana asa nataony, ary io valisoa io dia ny fananganan'Allah mitovy amin’izany ao amin’ny Paradisa.

فوائد الحديث

Famporisihana ny fananganana moske sy ny valisoan'izany.

Ny fanitarana sy fanavaozana ny moske dia tafiditra amin'ny asa soa fanorenana.

Ny maha zava-dehibe ny fahadiovam-po amin’Allah Tsitoha amin’ny asa rehetra.

التصنيفات

Ny lalàna mamehy ny mosquée