إعدادات العرض
Ry olona, tsy nanao izany aho afa-tsy ny mba hanarahanareo sy hianaranareo ny fivavako.”
Ry olona, tsy nanao izany aho afa-tsy ny mba hanarahanareo sy hianaranareo ny fivavako.”
Tatitra azo avy tamin'Abi Hàzim bin Dinar : Nisy andian-dehilahy maro tonga tany amin'i Sahl bin Sa'ad As-Sa'idi, ary izy ireo dia nifanditra momba ilay hazo nanaovana ilay polipitra,ka nanontany azy ny amin'izany izy ireo, dia hoy izy : "Miainiana amin'Allah aho, fa tena fantatro tokoa izany, ary izaho dia nahita izany tamin'ny andro voalohany nametrahana azy, sy tamin'ny andro voalohany nipetrahan'ny Irak'Allah (S.A.W) teo amboniny. Nandeha olona ny Irak'Allah (S.A.W) tany amin'ny vehivavy "Ansar" iray izay nantsoiny hoe Sahl -: “Ilazao ilay zanakao mpandrafitra handrafitra hazo ipetrahako rehefa miresaka amin’olona aho.” Dia nandidy azy izy, ka dia nataony izany, tamin’ny hazo an’ala, aorian'izany dia noentiny, ka dia nalefany tany amin'ny irak'Allah (S.A.W) izany ary nasainy nalaina ka napetrany teo amin'ny toerany. Taorian'izany dia hitako ny irak'Allah (S.A.W) nivavaka teo amboniny sy niteny hoe “Allaho Akbar” dia niondrika teo amboniny, dia nidina, nihemotra ary niankohoka teo alohohan’ny polipitra, avy eo niverina, ka rehefa tampitra izany dia nitodika tany amin’ireo olona izy ary niteny hoe : “Ry olona, tsy nanao izany aho afa-tsy ny mba hanarahanareo sy hianaranareo ny fivavako.” .
الترجمة
العربية English မြန်မာ Svenska Čeština ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá Nederlands اردو Bahasa Indonesia ئۇيغۇرچە বাংলা Türkçe සිංහල हिन्दी Tiếng Việt Hausa Kiswahili ไทย پښتو অসমীয়া دری Кыргызча Lietuvių Kinyarwanda नेपाली മലയാളം తెలుగు Bosanski Italiano ಕನ್ನಡ Kurdî Oromoo Română Soomaali Shqip Српски Українська Wolof Moore Tagalog O‘zbek தமிழ் Azərbaycan فارسی ქართული 中文 Magyarالشرح
Nisy andian-dehilahy tonga teo amin’iray tamin’ireo mpanaradia nanontany azy momba ny polipitra an’ny Mpaminany izay nampiasain'ny Irak’Allah (S.A.W) hoe: namboarina tamin'inona? Niady hevitra sy nifamaly ny amin’izany izy ireo, ka nolazainy tamin’izy ireo fa ny Irak'Allah (S.A.W) nandefa lehilahy iray ho any amin’ny vehivavy iray avy amin’ny "Ansar" izay nanana mpandrafitra iray izy, ka hoy izy taminy : Lazao ny mpanampinao hanamboatra ho ahy polipitra iray azoko ipetrahana rehefa miresaka amin'ny olona aho. Dia nanaiky ilay vehivavy ka nanome baiko ny mpanampiny hanao iray ho an'ny Mpaminany, polipitra vita tamin'ny hazo ary rehefa vita izany, dia nalefan'ilay vehivavy tany amin'ny Mpaminany izany ary napetraka teo amin'ny toerana iray tao amin'ny moske, dia nivavaka ny mpaminany, teo amboniny ary niteny hoe “Allaho Akbar” raha mbola teo amboniny izany, dia niondrika izy, avy eo dia nidina, nandeha nihemotra tsy nihodina, niverina izy ary rehefa vita ny vavaka dia nitodika tany amin’ny olona izy ka niteny hoe : “Ry olona, mba hanarahanareo ahy sy hianaranareo ny fivavako ihany no nanaovako izao.فوائد الحديث
Tsaratsara ny manao polipitra sy ny toerana hitsanganan'ny mpitory teny eo amboniny, ary ny tombotso amin'izany dia fitaran'ny feo sy fahenoana azy.
Azo atao ny mivavaka eny amin'ny polipitra noho ny fampianarana, ary azo ataon'ny mpitarika ny mijanona eny amin'ny toerana avo noho ireo tarihina noho ny filana manokana.
Azo atao ny mitady fanampiana amin'ny ireo olona mahay zavatra amin'ny filan'ireo mpino silamo.
Azo atao ny mihetsika kely mandritra ny vavaka soalat raha ilaina.
Azo ataon'ny olona tarihina ny mijery ilay mpitarika mandritra ny vavaka; Mba hianatra aminy fa tsy mifanohitra amin'ny fifantoha izany.
التصنيفات
Ny fomba fanaovana Swalat