إعدادات العرض
Hitanao ve, raha manao ireo Soalat voadidy Aho, avy eo mifehy ny fifehezana amin'ny volana Ramadany, ary manao an'izay rehetra voalaza fa mety, ary mifady ihany koa an'izay rehetra fady tsy mety
Hitanao ve, raha manao ireo Soalat voadidy Aho, avy eo mifehy ny fifehezana amin'ny volana Ramadany, ary manao an'izay rehetra voalaza fa mety, ary mifady ihany koa an'izay rehetra fady tsy mety
Hoy Abo Abdillah, Jaabir ibn Abdillah Al-Ansowaarii (R.A) niteny hoe : Nisy lehilahy iray nanontany an'ny Irak'i Tompo Allah (S.A.W) ka niteny hoe : Hitanao ve, raha manao ireo Soalat voadidy Aho, avy eo mifehy ny fifehezana amin'ny volana Ramadany, ary manao an'izay rehetra voalaza fa mety, ary mifady ihany koa an'izay rehetra fady tsy mety , ka tsy manampy zavatra hafa ambonin'izany intsony, moa ve mety miditra amin'ny Paradisa amin'ny alalany iazany rehetra izany Aho ? Ka namaly Azy Izy niteny hoe : Eny !.
الترجمة
العربية Español አማርኛ English اردو Indonesia বাংলা Français Türkçe Русский Bosanski සිංහල हिन्दी 中文 فارسی Tiếng Việt Tagalog Kurdî Hausa Português മലയാളം తెలుగు Kiswahili தமிழ் မြန်မာ ไทย Deutsch پښتو অসমীয়া Shqip Nederlands ગુજરાતી Кыргызча नेपाली Lietuvių دری Српски тоҷикӣ Kinyarwanda Română Magyar Čeština Moore Oromoo ಕನ್ನಡ Wolof Azərbaycan O‘zbek Українська ქართული Македонски ភាសាខ្មែរ Bambara ਪੰਜਾਬੀ मराठी Kirundi Kurmancî Bahasa Melayuالشرح
Manazava i Mpaminany (S.A.W) fa izay manatanteraka ireo fanompoam-pivavahana dimy izay voadidy Aminy, ary tsy nanampy ankoatr'izany amin'ireo Soalat sounnat, ary nifehy amin'ny volana Ramadany ka tsy nanampy ireo fifadiankanina an-tsitrapo, Mino ny maha mety sy Halal ny zavatra iray ka notanterahiny antsakany sy andavany, ary mino fa voarara ny zavatra iray ka nalaviriny, ka izay Olona manana izany fotokevitra izany dia hiditra ao amin'ny Paradisa.فوائد الحديث
Ny Mpino silamo dia mifantoka mandrakariva amin'ny fanaovana ny adidy izay tsy maintsy atao ary miala amin'ireo zavatra rehetra voarara, ary ny hiditra ao amin'ny Paradisa mihitsy no tena tanjony.
Ny mahazava-dehibe ny fanaovana ireo zavatra rehetra izay voalaza fa azo atao (Halal) ary finoana azy sy fanekena amin'ny fomba madio fa tena azo atao tokoa izany, sy ny fandrarana ireo zavatra rehetra izay efa voarara fa (Haram) sy ny finoanao amin'ny endrika feno fanekena ny mahavoarara azy izany.
Ny fanaovana sy fanatanterana ireo didy tsy maintsy atao sy ny famelana ireo zavatra rehetra voarara dia anisany antony iray hidirana ao amin'ny Paradisa.
