إعدادات العرض
“Ho lazain’I Allah Ilay Tsitoha amin’ireo mponin’ny afobe izay mahazo sazy kely indrindra amin'ny andro farany hoe : Raha fanananao daholo ny eny an-tany, moa havotanao amin’izany ve ny tenanao? dia hoy izy : Eny
“Ho lazain’I Allah Ilay Tsitoha amin’ireo mponin’ny afobe izay mahazo sazy kely indrindra amin'ny andro farany hoe : Raha fanananao daholo ny eny an-tany, moa havotanao amin’izany ve ny tenanao? dia hoy izy : Eny
Tatitra azo avy amin'i Anas (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Ho lazain’I Allah Ilay Tsitoha amin’ireo mponin’ny afobe izay mahazo sazy kely indrindra amin'ny andro farany hoe : Raha fanananao daholo ny eny an-tany, moa havotanao amin’izany ve ny tenanao? dia hoy izy : Eny, hoy I Allah : Naniry zavatra mora kokoa noho izany ho anao Aho, taminy anao mbola tao anatin’ny lamosin’i Adama: mba tsy hampitambatra fanompoana Ahy amin'ny zavatra hafa, nefa tsy nanaiky ianao afa-tsy ny fampitambarana ny fanompoana Ahy".
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Tiếng Việt Hausa Kurdî Português සිංහල অসমীয়া Kiswahili አማርኛ ગુજરાતી Nederlands پښتو नेपाली ไทย മലയാളം Кыргызча Română Svenskaالشرح
Milaza ny Mpaminany (S.A.W) fa tompo Allah miteny amin'ireo olona izay mahazo sazy kely indrindra ao amin'ny afobe rehefa tafiditra ao aminy manao hoe : Raha manana an'izao tontolo izao sy izay rehetra eo aminy ianao dia ho foinao omena ho fanavotana anao amin'ity sazy ity ve izany? Dia hiteny izy hoe : Eny, Koa hoy Allah : Nila anao sy nandidy anao Aho tamin’ny fomba tsotra kokoa noho izany, rehefa nifanaiky taminao Izaho fony ianao mbola tao an-damosin'i Adama hoe mba tsy hampitambatra fanompoana Ahy amin'ny hafa; dia nandà afa-tsy ny hanao izany ianao rehefa navoakako teny an-tany.فوائد الحديث
Ny hasin'ny fanokanana an'I Allah sy ny fahamoran'ny fanatanterahana azy.
Ny loza ateraky ny fampiombonana an'I Allah sy fiafarany.
Allah dia naka fanekem_pihavanana tamin’ny zanak’i Adama fony izy ireo tao andamosin'i Adama rainy, mba tsy hampifandray ny fanompoana an'I Allah amin'ny hafa.
Fampitandremana amin'ny fampiombonana an'I Allah amin'ny hafa, ary tsy hahasoa ny tsy mpino na dia izao tontolo izao amin'ny andro farany.