Nisy lehilahy iray nanao ozò ka namela toerana mitovy amin'ny hoho teo amin’ny tongony, Nahita azy ny Mpaminany (S.A.W) dia niteny hoe : “Miverena ary manaova fidiovana (ozò) tsara.” Niverina nanao ozò izy avy eo dia nanao soalat

Nisy lehilahy iray nanao ozò ka namela toerana mitovy amin'ny hoho teo amin’ny tongony, Nahita azy ny Mpaminany (S.A.W) dia niteny hoe : “Miverena ary manaova fidiovana (ozò) tsara.” Niverina nanao ozò izy avy eo dia nanao soalat

Tatitra azo avy tamin'i Jàbir (R.A) niteny : Niteny tamiko i Omar bin Al-khatwab : Nisy lehilahy iray nanao ozò ka namela toerana mitovy amin'ny hoho teo amin’ny tongony, Nahita azy ny Mpaminany (S.A.W) dia niteny hoe : “Miverena ary manaova fidiovana (ozò) tsara.” Niverina nanao ozò izy avy eo dia nanao soalat.

[Sahih/Authentic.] [Muslim]

الشرح

Nitatitra i Omar (R.A) fa ny Mpaminany (S.A.W) dia nahita lehilahy iray izay nahavita ozò, ka namela ampahany mitovy amin'ny halehiben'ny hoho eo amin'ny tongony, ka tsy voatondraka rano tamin'ny ozò nataony, Hoy izy taminy, sady nanondro ny toerana nisy ny tsy fitandremana : Miverena ary manaova ozò tsara, fenoy izany, ary omeo rano araka ny tokony ho izy ny rantsana tsirairay. Dia niverina ralehilahy, ka nofenoany tanteraka ny ozò nataony, avy eo dia nivavaka.

فوائد الحديث

Takina ny fanoloran-tena amin'ny famporosiana amin'ny tsara, sy fitarihan-dalana ny tsy mahalala sy ny tsy miraharaha, indrindra fa raha ilay zavatra ratsy mifandraika amin'ny fahasimban'ny fanompoana ataony.

Tsy maintsy atao ny mandena ny rantsana manontolo rehefa manao ozò ary izay namela amin’ny ampahany – na dia kely aza – dia tsy manan-kery ny ozò nataony ary tsy maintsy mamerina izany izy raha lava ny elanelana.

Ny maha-ara-dalàna ny fanaovana ozò araka ny tokony ho izy, amin'ny alàlan'ny famitana azy sy ny fanatanterahana izany amin'ny fomba tsara araka ny lalàna Sharia.

Ny tongotra roa dia anisan'ny rantsana sasana amin'ny ozò, ary tsy ampy ny fisafona azy, fa tsy maintsy sasana.

Takina amin'ireo rantsana sasana amin'ny ozò ny hanasna azy mifanesisesy, izany dia ny fanasana azy mialohan'ny haha maina ny teo alohany.

Ny tsy fahalalana sy ny fanadinoana dia tsy manafoana ny adidy tsy maintsy atao, fa manafoana ny ota, Fa ity lehilahy izay tsy nanatanteraka tsara ny ozò-ny noho ny tsy fahalalany dia tsy namela azy ny Mpaminany (S.A.W), fa nandidy azy hamerina izany.