Aza mitafy lamba landy na lasoa ianareo, ary aza misotro amin'ny vilia volamena na volafotsy, ary aza mihinana amin'ny zavatra vita amin'izany, satria ho azy ireo ny eto an-tany ary ho antsika kosa ny any an-koatra

Aza mitafy lamba landy na lasoa ianareo, ary aza misotro amin'ny vilia volamena na volafotsy, ary aza mihinana amin'ny zavatra vita amin'izany, satria ho azy ireo ny eto an-tany ary ho antsika kosa ny any an-koatra

Tatitra azo avy tamin'i Abd Ar-Rahman ibn Abi Layla, tao amin'i Hodhayfah izy ireo, ary nangataka rano izy, ary nisy olona majosi (mpanompo afo) nanome azy rano hosotroiny, rehefa nametraka ny kaopy teny an-tànany izy dia nariany ary niteny hoe : Raha tsy noho ny tsy nandrara azy indray mandeha na indroa aho - toy ny te hiteny hoe : tsy nanao izany aho - saingy nandre an'ny Mpaminany (S.A.W) aho niteny manao hoe : "Aza mitafy lamba landy na lasoa ianareo, ary aza misotro amin'ny vilia volamena na volafotsy, ary aza mihinana amin'ny zavatra vita amin'izany, satria ho azy ireo ny eto an-tany ary ho antsika kosa ny any an-koatra."

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

الشرح

Nandrara ny fitafina ny lamba landy amin'ny karazany rehetra ny Mpaminany (S.A.W). Ary norarany ireo lehilahy sy ireo vehivavy tsy hihinana sy hisotro amin’ny vilia volamena sy volafotsy. Nolazainy fa voatokana ho an’ny mpino izany amin’ny andro farany. Satria nanalavitra izany izy ireo teto an-tany noho ny fankatoavana an’Allah. Fa ireo tsy mpino kosa dia tsy manana anjara any ankoatra. Satria nanafaingana ny hatsarany izy ireo tamin’ny fiainany teto an-tany tamin’ny fakana izany, sy ny fikomin'izy ireo ny didin’Allah.

فوائد الحديث

Fandrarana ny lehilahy tsy hitafy ny lamba landy sy lasoa, ary misy fandrahonana mafy ho an'izay mitafy azy.

Ny vehivavy dia mahazo mitafy ny lamba landy sy lasoa.

Fandrarana ny fihinanana sy ny fisotroana amin'ny lovia volamena sy volafotsy ary vilany ho an’ny lahy sy ny vavy.

Hentitra tamin'ny fandavany i Hodhayfah, ka dia nanazava izany izy tamin'ny filazana fa efa nandrara azy mihoatra ny indray mandeha izy mba tsy hampiasa vilia volamena sy volafotsy, saingy tsy nijanona teo izy.

التصنيفات

Fahalalampomba rehefa mitafy lamba