“Mamy sy maitso tokoa ny eto an-tany, ary Allah nametraka anareo ao aminy ka hijery izay ataonareo. Koa matahora ny eto an-tany ary matahora ny vehivavy

“Mamy sy maitso tokoa ny eto an-tany, ary Allah nametraka anareo ao aminy ka hijery izay ataonareo. Koa matahora ny eto an-tany ary matahora ny vehivavy

Tatitra azo avy tamin'i Abo Sai’d Al*Kodri (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Mamy sy maitso tokoa ny eto an-tany, ary Allah nametraka anareo ao aminy ka hijery izay ataonareo. Koa matahora ny eto an-tany ary matahora ny vehivavy, fa ny fiandohan’ny fakam-panahy ho an’ny Zanak’Israely dia tamin'ny vehivavy.”

[Sahih/Authentic.] [Muslim]

الشرح

Manazava ny Mpaminany (S.A.W) fa ny fiainana eto an-tany dia mamy amin'ny tsirony ary maitso eo amin'ny fahitana azy, noho izany dia lasa voafitaka ny olona iray, variana amin'izany ary nataony ho votoanton-draharaha amin'ny fiainany. Ary nataon’Allah hifandimby isika amin’ny fiainana eto an-tany, mba hijereny izay hataontsika, hankatò Azy ve isika sa tsy hankatò? Dia niteny izy : Mitandrema ianareo mba tsy ho voafitaky ny fahafinaretana sy ny haingo eto an-tany, ka hitarika anareo izany handao izay nandidian’Allah anareo ary ho latsaka amin’izay nandrarany. Anisan'ny zava-dehibe indrindra izay tsy maintsy tandremana amin'ny fakam-panahy eto an-tany dia ny fakam-panahy ataon'ny vehivavy, ary io no fakam-panahy voalohany naharendrika ireo Zanak'Isiraely.

فوائد الحديث

Famporisihana amin'ny hitoetra ho mpatahotra hatrany ary tsy ho variana amin’ny endrika ivelan'ny fiainana eto an-tany sy ny haingoany asehony.

Fitandremana amin'ny fakam-panahy eo amin'ny vehivavy, amin'ny alalan'ny fijerena na ny fankamorana amin'ny fifangaroany amin'ny lehilahy vahiny, na amin'ny fomba hafa ankoatr'izany.

Ny fakam-panahy ataon'ny vehivavy dia anisan'ny fakam-panahy lehibe indrindra eto an-tany.

Ny fankana lesona avy amin’ireo vahoaka taloha, ka izay nitranga tamin'ireo zanak'Israel dia mety hanjo ny hafa ankoatr'izy ireo ihany koa.

Ny fakam-panahy ataon’ny vehivavy, raha vady izy, dia mety hahatonga ny lehilahy handany mihoatra izay zakany, ka izany dia hahatonga azy tsy hanam-potoana amin’ny fikatsahana ny raharaha momba ny finoana, ary hahatonga azy ho potika amin’ny fikatsahana ny mahasoa eto an-tany, ary raha vahiny izy (tsy havana akaiky), dia mety ho fakam-panahy ho an'ilay lehilahy amin'ny alalan'ny fandrebirebeny azy sy ny fialany amin'ny fahamarinana raha mivoaka sy mifangaro aminy, indrindra raha mitanjatanjaka izy ireo, ary izany dia mety hitarika amin'ny fahalatsahana amin'ny fijangajangana amin'ny ambaratongany maro, ka ny mpino dia tokony hifikitra amin’Allah ary mangataka Aminy mba ho afaka amin’ny fakam-panahin'izy ireo.