Azoko tamin'i Mpaminany (S.A.W) ny vavaka 10 Rakà

Azoko tamin'i Mpaminany (S.A.W) ny vavaka 10 Rakà

Tatitra azo avy amin'i Ibn Omar (R.A) niteny : Azoko tamin'i Mpaminany (S.A.W) ny vavaka 10 Rakà : soalat roa Rakà alohan'ny zohr, ary roa rakà aoriany, ary roa rakà aorian'ny Maghrib any an-tranony, ary roa rakà aorian'ny Isha any an-tranony, ary roa rakà mialohan'ny fajri, izany dia fotoana tsy azo hidirana any amin'ny Mpaminany (S.A.W). Nilaza tamiko i Hafsa fa rehefa niantso ny mpanao Azan ary miposaka ny maraina mangiran-dratsy, dia nivavaka roa rakà izy, amin'ny filazana hafa : Ny Mpaminany (S.A.W) dia nanao rakà roa taorian'ny vavaka Zoma.

[Sahih/Authentic.] [Al-Bukhari and Muslim with all its versions]

الشرح

Manazava i Abdillah bin Omar (R.A) : Isan'ireo vavaka sonna azony avy tamin'ny Mpaminany (S.A.W) ny rakà folo, ary ireo no antsoina hoe Sonnah ar-Raoàtib. Roa rakà alohan'ny soalat Zohr ary roa rakà aorian'izany. Ary roa rakà aorian’ny soalat maghrib any an-tranony. Ary roa rakà aorian’ny soalat Isha any an-tranony. Ary roa rakà alohan'ny Soalat fajr Dia feno tanteraka ny folo rakà. Fa amin'ny Soalat Zoma kosa dia manao roa rakà aoriany.

فوائد الحديث

Tsara ny manao ireo Sonnat Raoàtib sy fifikirana aminy.

Ny maha ari-fomba islamika ny manao soalat sonnat any an-trano.