“Tsy matahotra ve ny iray aminareo, na : Tsy mba misy matahotra ve ianareo, raha mampiakatra ny lohany alohan'ny Imam, ka hataon’Allah ho lohan’ny apondra ny lohany, na hataon’Allah tahaka ny apondra ny endriny.”

“Tsy matahotra ve ny iray aminareo, na : Tsy mba misy matahotra ve ianareo, raha mampiakatra ny lohany alohan'ny Imam, ka hataon’Allah ho lohan’ny apondra ny lohany, na hataon’Allah tahaka ny apondra ny endriny.”

Tatitra avy tamin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Tsy matahotra ve ny iray aminareo, na : Tsy mba misy matahotra ve ianareo, raha mampiakatra ny lohany alohan'ny Imam, ka hataon’Allah ho lohan’ny apondra ny lohany, na hataon’Allah tahaka ny apondra ny endriny.”

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

الشرح

Manazava momba ny fandrahonana mafy ho an'izay manainga ny lohany mialohan'ny imam (mpitarika) azy amin'ny soalat ny Mpaminany (S.A.W) fa hataon'Allah ho lohan'ny apondra ny lohany, na hataon'Allah ho sarin'ny apondra ny endriny.

فوائد الحديث

Misy fomba fanao efatra ho an'ny olona tarihina manoloana ny imam: telo amin'izany no voarara, dia ny hoe : mandeha alohany, miaraka aminy ary tara be. Ny azo atao : dia ny manaraka ny imam.

Voadidy amin'ny olona tarihina ny fanarahana ny mpitarika amin'ny soalat.

Ny fandrahonana hanova ny tavan'olona mampiakatra ny lohany aloan'ny mpitarika ho endriky ny apondra dia azo atao, ary izany dia anisan'ny fiovana endrika ratsy indrindra.

التصنيفات

Ireo didy momba ny mpitarika sy ireo mpanaraka