Allahomma Innì Aò'zho bika min a'zhàbil-qabri, wamin a'zhàbin-nàri, wamin fitnatil-mah'yà wal-mamàti, wamin fitnatil-masihid-dajjàl

Allahomma Innì Aò'zho bika min a'zhàbil-qabri, wamin a'zhàbin-nàri, wamin fitnatil-mah'yà wal-mamàti, wamin fitnatil-masihid-dajjàl

Tatitra azo avy tamin'i Abo horaira (R.A) niteny : "Ny Mpaminany (S.A.W) dia nanao Doan sy niteny hoe : "Allahomma Innì Aò'zho bika min a'zhàbil-qabri, wamin a'zhàbin-nàri, wamin fitnatil-mah'yà wal-mamàti, wamin fitnatil-masihid-dajjàl". Amin'ny Moslim indray izy miteny hoe : "Rehefa nahavita ny Tashahod farany ny iray aminareo dia mangataha fiarovana amin'ny zavatra efatra : amin'ny sazin'Afobe, sazy ao am-pasana, fitsapana ami'ny fahavelomana sy ny amin'ny fahafatesana, ary ny amin'ny ratsy entin'ilay mpaminany sandoka" dajjal".

[Sahih/Authentic.] [Al-Bukhari and Muslim]

الشرح

Ny Mpaminany (S.A.W) dia nangataka fiarovana tamin'Allah momba ny zavatra efatra taorian'ny tasahhoda farany sy talohan'ny famaranana ny vavaka, ary nandidy antsika izy mba hitady fiarovana amin'Allah amin'izany: Ny voalohany: aamin'ny sazy ao am-pasana. Ny faharoa: amin’ny sazy ao amin'Afobe, ary izany dia amin’ny andro farany. Ny fahatelo: Amin’ny fakam-panahy eo amin’ny fiainana, amin’ny filana eto an-tany izay voarara sy ny zavatra mampisalasala izay manary eo aminy, ary amin’ny fakam-panahin’ny fahafatesana, izany hoe amin’ny ora hahafatesana, amin’ny fialana amin’ny finoana silamo na ny Sonnah, na amin’ny fakam-panahin’ny fasana, toy ny fanontanian'ireo anjely roa. Ny faha efatra: Ny fakam-panahy ataon’ny Mesia sandoka izay hivoaka amin’ny fotoana farany, hotsapain’Allah ireo mpanompony amin'ny alalany, Nitononony manokana izy io noho ny haleben'ny fitsapana hoentiny sy ny famerezana hoentiny.

فوائد الحديث

Io fangataham-piarovana io dia iray amin’ireo Doan lehibe sy manan-danja indrindra amin’ny Doan, satria tafiditra ao anatin’izany ny fangataham-piarovana amin’ny faharatsiana ety an-tany izao sy ny any ankoatra.

Voaporofo ny fanasazina ao am-pasana ary tena misy tokoa izany.

Ny loza ateraky ny fitsapana sy ny maha zava-dehibe ny fitadiavana ny fanampian’Allah ary ny Doan mba ho avotra amin’izany.

Voporofo ny hipoiran’ny mesia sandoka sy ny halehiben’ny fitsapana entiny.

Tsara ny manao izany Doan izany aorian'ny tashahhod farany.

Tsara ny manao Doan rehefa avy nanao asa soa.