إعدادات العرض
“Raha misy aminareo mahita nofy izay tiany, dia avy amin’I Allah izany, koa aoka izy hidera an’I Allah sy hiresaka momba izany, ary raha mahita zavatra hafa tsy tiany izy, dia avy amin’i Satana izany, koa aoka izy mitady fialofana amin’ny faharatsiany, ary aoka tsy hilaza izany na…
“Raha misy aminareo mahita nofy izay tiany, dia avy amin’I Allah izany, koa aoka izy hidera an’I Allah sy hiresaka momba izany, ary raha mahita zavatra hafa tsy tiany izy, dia avy amin’i Satana izany, koa aoka izy mitady fialofana amin’ny faharatsiany, ary aoka tsy hilaza izany na amin’iza na amin’iza, fa tsy hanisy ratsy azy izany.”
Tatitra azo avy tamin'i Abo Saï'd Al-Khodory (R.A) niteny : Izaho naheno an'ny Irak'Allah (S.A.W) niteny manao hoe : “Raha misy aminareo mahita nofy izay tiany, dia avy amin’I Allah izany, koa aoka izy hidera an’I Allah sy hiresaka momba izany, ary raha mahita zavatra hafa tsy tiany izy, dia avy amin’i Satana izany, koa aoka izy mitady fialofana amin’ny faharatsiany, ary aoka tsy hilaza izany na amin’iza na amin’iza, fa tsy hanisy ratsy azy izany.”
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Bahasa Indonesia Türkçe اردو 中文 हिन्दी Tagalog Français ئۇيغۇرچە Hausa Kurdî Kiswahili Português සිංහල Русский Nederlands Tiếng Việt ગુજરાતી অসমীয়া پښتو नेपाली മലയാളം Yorùbá ქართული Magyar తెలుగు Svenska Македонски ಕನ್ನಡ Moore Română Oromoo Українська ไทย मराठी ਪੰਜਾਬੀ دری አማርኛ Wolof ភាសាខ្មែរالشرح
Nambaran'ny Mpaminany (S.A.W) fa ny nofy tsara sy mahafaly amin'ny torimaso dia avy amin'I Allah, ary nanoro hevitra izy mba hisaotra an'I Allah noho izany, ary hampahafantatra izany, ary raha hitany izay halany sy mampalahelo dia avy amin'i Satana izany. Koa aoka izy hitady fiarovana amin’I Allah amin’ny faharatsiany, ary aza milaza izany amin’iza na iza. Tsy hanisy ratsy azy izany, satria nataon’I Allah ho fiarovana amin’ny loza ateraky ny nofy ilay voalaza.فوائد الحديث
Sokajin'ny nofy : 1-Nofy tsara, izy io dia fahitana marina sy vaovao mahafaly avy amin'I Allah izay hitany na aseho aminy, 2- Bitsibitsiky ny tena, izay lazain'ny olona amin'ny tenany eo am-pifohazana, 3-Alahelo sy fampitahoran'i Satana sy ny fanelingelenany mba hampahory ny zanak’i Adama.
Ny voalaza momba ny lohahevitra amin'ny nofy tsara dia zavatra telo : Ny misaotra an'I Allah noho izany, ny mifaly amin'izany, ary ny miresaka izany fa amin'izay olona tiany fa tsy amin'izay mankahala azy.
Ny voalaza momba ny lohahevitra amin'ny nofy ratsy dia dimy : Ny fangatahana fiarovany amin'I Allah amin'ny faharatsiany sy ny faharatsian'i Satana, ary ny mandrora intelo rehefa nifoha avy natory ho amin'ny ilany ankavia, ary tsy milaza na amin'iza na amin'iza, ary raha te hiverina amin'ny torimasony izy, dia mivadika amin'ny ilany; ka tsy nahavita ratsy azy izany.
Hoy i Ibn Hajar : Ny fahendrena ao ambadik'izany dia ny hoe raha mitantara nofy tsara amin'ny olona tsy tiany izy dia mety handika izany ho azy amin'ny fomba tsy tiany, na noho ny fankahalana na ny fitsiriritana na fialonana, ka mety ho tanteraka aminy izany na koa lasa alahelo mialoha ilay nanofy, ka izay no antony hamelana ny fitantarana azy amin'ny olona tsy tiany.
Fisaorana no avaly raha sendra fahasoavana sy fanavaozana fitahina, satria izany no antony hitohizan’izany.
التصنيفات
Fahalalampomba amin'ny nofy