Izaho mahaleo tena tsy mila mpiara-miombina amiko, izay manao asa fanompoana ka nanambarany ahy amin'ny hafa dia havelako izy sy ny asany

Izaho mahaleo tena tsy mila mpiara-miombina amiko, izay manao asa fanompoana ka nanambarany ahy amin'ny hafa dia havelako izy sy ny asany

Tatitra azo avy amin'i Abo Horaira (R.a), ka Niteny i Mpaminany (saw) nanao hoe : "Niteny tompo Allah ilay avo Tsitoha : Izaho mahaleo tena tsy mila mpiara-miombina amiko, izay manao asa fanompoana ka nanambarany ahy amin'ny hafa dia havelako izy sy ny asany".

[Sahih/Authentic.] [Muslim]

الشرح

Manambara atsika i Mpaminany (saw) fa i Tompo Allah Niteny ka nanao hoe : Fa Izy dia mahaleo tena ka tsy mila mpiara_miombona Aminy na dia kely aza, Izy dia mahaleo tena amin'ny zava-drehetra, ary raha manao asa fanompoana ny Olombelona iray ka nataony ho an'i Tompo Allah sy ankoatrany ihany koa; dia havelan'i Tompo Allah izany asa izany ary tsy ho raisiny mihitsy ny zavatra nataony, ary averiny any amin'ny tompony ilay asa. Ka tsy maintsy atao am_po madio ho an'ny Tompo Allah ny asa, satria Izy Tompo Allah ilay avo Tsitoha, dia tsy mandray no sady tsy manaiky afa-tsy izay natao ho Azy irery ihany.

فوائد الحديث

Fampitandremana fatratra manoloana an'ny fanompoan-tsampy amin'ny fomba sy endriny rehetra; ary izany indrindra dia sakana lehibe eo amin’ny fomba fandraisana ny asa vita.

Fahatsapana ny haren'i Tompo Allah sy ny fahalehibeazany, izay manampy amin’ny fahadiovam-po amin’ny asa.