إعدادات العرض
Izany dia vato natsipy tao amin'ny afobe tamin'ny taona fitopolo lasa izay, ary mivarina any amin'ny afo mandra-pahatongany any ambany indrindra
Izany dia vato natsipy tao amin'ny afobe tamin'ny taona fitopolo lasa izay, ary mivarina any amin'ny afo mandra-pahatongany any ambany indrindra
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A) niteny izy manao hoe: Niaraka tamin’ny irak’Allah (S.A.W) izahay, ka nandre fidobokan-javatra izy, dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “Fantatrareo ve izany? Hoy izahay : Allah sy ny Irany ihany no mahalala azy, dia hoy izy : «Izany dia vato natsipy tao amin'ny afobe tamin'ny taona fitopolo lasa izay, ary mivarina any amin'ny afo mandra-pahatongany any ambany indrindra».
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Kurdî Kiswahili Português සිංහල አማርኛ অসমীয়া Tiếng Việt ગુજરાતી Nederlands پښتو नेपाली Hausa ไทย മലയാളം Кыргызча Română Svenska ಕನ್ನಡ Српски తెలుగు ქართულიالشرح
Nandre feo manelingelina toy ny fianjeran’ny vatan-javatra ny Mpaminany (S.A.W), ka nanontany ny iray tamin’ireo mpiara-dia aminy momba izany feo izany, ka hoy izy ireo : Allah sy ny irak’Allah no tena mahalala tsara. Dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) : Izany feo renareo izany dia vato nazera avy tany amin'ny sisin'ny afobe, fitopolo taona lasa izay, ary efa nianjera sy nivarina tao aminy mandra-pahatongany ambany indrindra amin'izao fotoana nandrenesanareo ny feo izao.فوائد الحديث
Famporisihana hiomana amin’ny andro farany amin’ny fanaovana asa soa, sy ny fampitandremana ny amin’ny afobe.
Tsara ny manankina fahalalana amin'I Allah momba izay zavatra tsy ananan'ny zanak'olombelona fahalalana.
Amporisihina ny mpampianatra amin'ny fampifantohana sy fanairana mialohan'ny fanazavana; mba ho antony hahazoana kokoa.
التصنيفات
Endriky ny Paradisa sy ny Afobe