إعدادات العرض
Nanao velirano tamin'ny Irak'I Allah aho fa hijoro vavolombelona fa tsy misy tompo mendrika ho tompoina afa-tsy Allah, ary i Mohammad dia Irak'Allah, hanangana ny Soalat, handoa zakat, ary hihaino sy hankatoa ary hanoro hevitra ho an'ny silamo tsirairay
Nanao velirano tamin'ny Irak'I Allah aho fa hijoro vavolombelona fa tsy misy tompo mendrika ho tompoina afa-tsy Allah, ary i Mohammad dia Irak'Allah, hanangana ny Soalat, handoa zakat, ary hihaino sy hankatoa ary hanoro hevitra ho an'ny silamo tsirairay
Tatitra azo avy amin'i Jarir (R.A) niteny : Nanao velirano tamin'ny Irak'I Allah aho fa hijoro vavolombelona fa tsy misy tompo mendrika ho tompoina afa-tsy Allah, ary i Mohammad dia Irak'Allah, hanangana ny Soalat, handoa zakat, ary hihaino sy hankatoa ary hanoro hevitra ho an'ny silamo tsirairay.
[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी ئۇيغۇرچە Hausa Kurdî Kiswahili Português සිංහල Svenska ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá Tiếng Việt پښتو অসমীয়া دری Кыргызча or नेपाली Čeština Oromoo Română Nederlands Soomaali తెలుగు മലയാളം ไทย Lietuvių Српски Kinyarwanda Shqip ಕನ್ನಡ Wolof Українська Moore ქართული Magyar Македонски Azərbaycanالشرح
Milaza ilay mpanara-dia iray Jarir bin Abdollah (R.A) fa nanao fifanekena tamin'ny Mpaminany (S.A.W) ho amin'ny fanokanana an'I Allah sy hanao ny Soalat dimy tsy maintsy atao andro aman'alina, miaraka amin'ny fepetra sy ny andry ary ny sonnah momba izany, ary ny fandoavana ny zakat voasoratra, izay fanompoana ara-bola tsy maintsy atao, nalaina avy amin'ny manan-karena ka omena ny mahantra mendrika azy sy ny hafa ankoatr'izy ireo, ary hankatoa ireo mpitondra, ary hanoro làlana sy soso-kevitra ho an'ny mpino tsirairy amin'ny alàlan'ny fikatsahana ny mahasoa azy sy hahatongavan'ny hatsarana aminy ary fanesorana ny ratsy amin'ny alàlan'ny teny sy ny fihetsika.فوائد الحديث
Ny maha zava-dehibe ny Soalat sy ny zakat, izay andry roa lehibe amin'ny finoana silamo.
Ny maha-zava-dehibe ny torohevitra sy sosokevitra eo amin'ny samy mpino silamo ka nahatonga ireo mpanara-dia nanao ny velirano amin'ny Mpaminany (S.A.W).
التصنيفات
Ny tombotsoan'ny Swalat