Ny Paradisa dia akaiky kokoa ny tsirairay Aminareo noho ny tadin-kirarony, ary ny Afobe dia tahaka izany ihany koa.

Ny Paradisa dia akaiky kokoa ny tsirairay Aminareo noho ny tadin-kirarony, ary ny Afobe dia tahaka izany ihany koa.

Tatitra azo avy amin'i Ibn masond (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : " Ny Paradisa dia akaiky kokoa ny tsirairay Aminareo noho ny tadin-kirarony, ary ny Afobe dia tahaka izany ihany koa. "

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari]

الشرح

Milaza i Mpaminany (saw) fa ny Paradisa sy ny Afobe dia akaiky ny Olona, ​​toy ny fehin-kiraro eo an-damosin'ny tongotra, Satria mety hanao asa fankatoavana izay mampifalifaly an'i Tompo Allah Izy mba hidirany any amin'ny Paradisa, na mety manao fahotana sy fahadisoana izay lasa ho antony iray hidirany any amin'ny Afobe.

فوائد الحديث

Famporisiana amin'ny tsara na kely aza, ary fampitandremana amin'ny ratsy na kely aza.

Eo amin’ny fiainana dia tsy maintsy manambatra ny fanantenana sy ny tahotra ny silamo, ary mangataka mandrakariva amin’I Allah ilay Tsitoha mba hiorina tsara amin’ny fahamarinana mba hijanona ho silamo izy ary tsy hiova amin'izany.

التصنيفات

Endriky ny Paradisa sy ny Afobe