Atoroy ahy ny asa iray, raha manao izany aho dia hiditra any amin'ny Paradisa. Namaly ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Manompo an'I Allah ary tsy mampifandray zavatra hafa Aminy, manatanteraka ny soalat, mandoa ny zakat ary mifehy amin’ny Ramadany.”

Atoroy ahy ny asa iray, raha manao izany aho dia hiditra any amin'ny Paradisa. Namaly ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Manompo an'I Allah ary tsy mampifandray zavatra hafa Aminy, manatanteraka ny soalat, mandoa ny zakat ary mifehy amin’ny Ramadany.”

Tatitra azo avy tamin'i Abou horaira (R.A) niteny : Nisy tambanivohitra iray tonga teo amin'ny Mpaminany (S.A.W) ary niteny hoe : Atoroy ahy ny asa iray, raha manao izany aho dia hiditra any amin'ny Paradisa. Namaly ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : “Manompo an'I Allah ary tsy mampifandray zavatra hafa Aminy, manatanteraka ny soalat, mandoa ny zakat ary mifehy amin’ny Ramadany.” Hoy ilay rangahy : “Mianiana amin’Ilay mitazona ny fanahiko eo an-tanany aho, tsy hanampy hafa ankoatr'izany ve aho. Rehefa lasa izy, dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “Izay tia hijery olon'ny Paradisa, dia aoka izy hijery io lehilahy io”. miaraka Aminy, ary manao ny vavaka kotobah, aloavy ny zakat, ary mifady hanina ny Ramadany.” Hoy izy: “Amin’Ilay eo an-tànan’ny fanahiko, tsy hanao mihoatra noho izany aho.” Izany, rehefa nodimandry izy, ny Mpaminany. , Andriamanitra anie hitahy azy sy hanome azy fiadanana, nanao hoe: “Na iza na iza te hijery lehilahy iray ao amin’ny Paradisa, aoka izy hijery an’ity.”

[Sahih/Authentic.] [Al-Bukhari and Muslim]

الشرح

Nisy lehilahy avy any ambanivohitra nanatona ny Mpaminany (S.A.W) mba hanoro azy amin'ny asa izay hampiditra azy any amin'ny Paradisa. Namaly ny Mpaminany (S.A.W) fa ny fidirana ao amin'ny Paradisa sy ny fahafahana amin'ny Afobe dia miankina amin'ny fanatanterahana ny andrin'ny finoana silamo, amin'ny fanompoana an'I Allah irery ihany ary ny tsy fampiombonana Azy amin'ny hafa. Ary fanatanterahana ny soalat dimy napetrak’Allah izay nandidiany ireo mpanompony andro sy alina. Ary mamoaka ny zakat amin'ny vola nodidin'I Allah aminao, ary omena an'izay mendrika azy. Ary mitandrina ny fifehezana amin'ny volana Ramadany. Dia hoy ralehilahy : “Mianiana amin’ny alàlan’Ilay manana ny fofon'aiko eny an-tànany aho, dia tsy hanampy ny fanompoana intsony aho afa-tsy izay reko taminao”. Rehefa lasa izy, dia hoy i Mpaminany (S.A.W) : Izay manampanirina hijery ny olon'ny Paradisa dia aoka izy hijery ity tambanivohitra ity.

فوائد الحديث

Ny fanokanana an'I Allah ilay Tsitoha amin'ny fanompoam-pivavahana no zavatra voalohany hanombohana raha hiantso ny olona ho amin'I Allah.

Ampy amin'ny fampianarana ireo olom-baovao amin'ny finoana silamo ny fampianarana ireo zavatra voadidy.

Tsy maintsy mandeha ambaratongany ny fiantsoana amin’I Allah Ilay Tsitoha.

Fitiavan'ilay lehilahy sy fikirizany hianatra momba ny finoany.

Raha mijanona amin'ireo zava-boadidy tsy maintsy atao ihany ny mpino silamo dia hahomby izy, saingy tsy midika izany hoe avela ireo fanompoana fanampiny an-tsitrapo. Satria ny asa fanampiny an-tsitrapo dia manonitra izay tsy ampy amin’ny vavaka tsy maintsy atao.

Ny filazana manokana ny ampahan'ireo fanompoana dia porofon’ny maha zava-dehibe azy ireo sy ny maha-manan-danja azy, saingy tsy midika akory izany fa tsy voadidy ny hafa.