Tsy misy harerahana, na aretina, na adisaina, na halahelo, na haratsiana, na fahoriana mafy mahazo ny mpino silamo, eny na dia ny tsindrona tsilo mahazo azy aza, afa-tsy hoe hamafan'I Allah ampahany amin'ny fahotany izany

Tsy misy harerahana, na aretina, na adisaina, na halahelo, na haratsiana, na fahoriana mafy mahazo ny mpino silamo, eny na dia ny tsindrona tsilo mahazo azy aza, afa-tsy hoe hamafan'I Allah ampahany amin'ny fahotany izany

Tatitra azo avy tamin'i Abi Said Al-Khodri (R.A) sy i Abo Horaira (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tsy misy harerahana, na aretina, na adisaina, na halahelo, na haratsiana, na fahoriana mafy mahazo ny mpino silamo, eny na dia ny tsindrona tsilo mahazo azy aza, afa-tsy hoe hamafan'I Allah ampahany amin'ny fahotany izany."

[Sahih/Authentic.] [Al-Bukhari and Muslim]

الشرح

Manazava ny irak'I Allah (S.A.W) fa izay manjo ny mpino amin'ny aretina sy ny asa loha, alahelo, fahasahiranana, fahoriana, fijalina, tahotra, ary hanoanana - eny na dia ny tsilo nahavoa ka mampangotsika azy - izany dia ho famafana ny fahotany sy famelana ny fahadisoany.

فوائد الحديث

Fanazavana momba ny fahasoavan’Allah amin’ireo mpino mpanompony sy ny famindram-pony amin’izy ireo amin’ny famelana ny fahotana amin’ny alalan'ireo loza faran’izay kely manjo azy ireo.

Ny mpino silamo dia tokony hanantena valisoa avy amin'I Allah amin'izay mahazo azy, ary hanam-paharetana amin'ny zavatra kely sy lehibe rehetra, mba hahazoany fisondrotana eo amin'ny toerany sy ny famafana ny ota.