“Nisy lehilahy iray zatra mampindrana vola tamin’ny olona, ​​ka niteny tamin’ny zanany izy hoe: raha sendra olona sahirana ianao, dia mamelà ny helony, fa angamba hamela ny helontsika ihany koa I Allah

“Nisy lehilahy iray zatra mampindrana vola tamin’ny olona, ​​ka niteny tamin’ny zanany izy hoe: raha sendra olona sahirana ianao, dia mamelà ny helony, fa angamba hamela ny helontsika ihany koa I Allah

Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaira (R.A), fa niteny i Mpaminany (saw) manao hoe : “Nisy lehilahy iray zatra mampindrana vola tamin’ny olona, ​​ka niteny tamin’ny zanany izy hoe: raha sendra olona sahirana ianao, dia mamelà ny helony, fa angamba hamela ny helontsika ihany koa I Allah, ka rehefa nihaona tamin’I Allah izy dia namela ny helony tokoa I Allah.

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

الشرح

Mitantara amintsika i Mpaminany (saw) : Momba ny lehilahy iray izay miara-miasa amin'ny olona tamin'ny trosa, na nivarotra zavatra tamin'ny trosa. Ary hoy izy tamin'ny mpanampiny izay mpaka trosa tamin'ny olona: Raha tonga mitaky trosa ianao ka tsy manam-bola handoavana ny trosany noho ny tsy fahafahany, dia “mamelà azy”; na amin'ny fanemorana izany na tsy fanerena ny fitakiana, Na amin’ny alàlan’ny fanekena izay ananany, na dia ao anatin’ny tsy fahampiana aza, ary izany no faniriany sy fanantenany fa hamela ny helony sy hamafa ny helony I Allah. Rehefa maty izy, dia namela ny helony I Allah ary tsy nijery ny ratsy nataony.

فوائد الحديث

Ny hatsaram-panahy eo amin’ny fifampiraharahana amin’ny olona, ​​ny famelan-keloka ary ny fangorahana ny olona sahirana no anisan’ny antony lehibe indrindra maha avotra ny mpanompo iray amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty.

Ny hatsaram-panahy amin’ny zavaboary, ny fahadiovam-po amin’I Allah, ary ny fanantenana ny famindram-pony no anisan’ny antony hahazoana ny famelana ny fahotana.

التصنيفات

Ny fitondran-tena tsara