Tsy misy mpanompo manafina kileman'ny mpanompo hafa eto an-tany, afa-tsy hafenin'I Allah ny momba azy amin'ny andro fitsanganan'ny maty

Tsy misy mpanompo manafina kileman'ny mpanompo hafa eto an-tany, afa-tsy hafenin'I Allah ny momba azy amin'ny andro fitsanganan'ny maty

Tatitra avy tamin'i Abo Horaira (R.A), Niteny ny Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tsy misy mpanompo manafina kileman'ny mpanompo hafa eto an-tany, afa-tsy hafenin'I Allah ny momba azy amin'ny andro fitsanganan'ny maty."

[Mari-pototra] [Notantaraiin'i Moslim]

الشرح

Manazava ny Mpaminany (S.A.W) fa tsy misy silamo manafina kileman'ny rahalahiny silamo amin'ny raharaha rehetra, afa-tsy hafenin'I Allah ny momba azy amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty. Ny valisoa dia mitovy amin'izay nataonao ihany, ary ny fanafenan'I Allah azy dia ny fanafenana ny fahadisoany sy ny fandikan-dalàny mba tsy ho hitan'ny olona ao mandritry ny fivoriam_be, na mety amin’ny endrika fanambelana tsy hitsarana azy amin'izany.

فوائد الحديث

Ny maha ara-dalàna ny fanafenana ny silamo raha manao fahotana izy, sady manameloka azy, manoro azy ary mampitahotra azy amin’I Allah anefa, raha anisan’ireo olona ratsy fanahy sy mpanao fanimbana izay miharihary ny fahotana sy ny fahalotoam-pitondrantena, dia tsy mety manafina izany, Satria ny fanafenana azy ireo dia mamporisika azy hanota, fa ny raharahany dia atolotra ny mpitondra, na dia nolazaina mivantana aza ny momba azy; Satria izy mampiseho ampahibemaso ny fahalotoam-pitondran_tenany sy ny tsy fankatoavany.

Famporisihana hanafina ny fahadisoan’ny hafa.

Anisan’ny soa azo avy amin’ny fanafenana : Manome fahafahana ny mpanota handinika ny tenany sy hibebaka amin’I Allah. Satria ny filazana lesoka sy zavatra mahamenatra dia endrika fanaparitahana fahavetavetana, manimba ny rivo-piainana ara-tsosialy ary maka fanahy ny olona hanao izany.

التصنيفات

Ny Fanokanana an'Allah amin'ireo anarany sy ny toetrany, Ny fitondran-tena tsara