“Rehefa anontaniana ny mpino silamo iray ao am-pasana dia : Mijoro ho vavolombelona izy fa tsy misy tompo marina afa-tsy Allah ary i Mohammad dia irak’Allah

“Rehefa anontaniana ny mpino silamo iray ao am-pasana dia : Mijoro ho vavolombelona izy fa tsy misy tompo marina afa-tsy Allah ary i Mohammad dia irak’Allah

Tatitra azo avy tamin'i Barrat bin Aazib (R.A), niteny ny Mpaminany (S.A.w) manao hoe : “Rehefa anontaniana ny mpino silamo iray ao am-pasana dia : Mijoro ho vavolombelona izy fa tsy misy tompo marina afa-tsy Allah ary i Mohammad dia irak’Allah”, izany ilay teniny manao hoe : {Hamafisin'I Allah amin'ny teny entitra ireo mpino eto amin'ny fiainana sy any ankoatra} [Ibrahim: 27].

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

الشرح

Hanontaniana ny mpino any am-pasana, ary ireo anjely roa voatendry hanao izany dia hanontany azy, dia i Monkar sy Nakir izany, hita ny anaran'izy roa amin’ireo hadith maro. Ka mijoro ho vavolombelona izy fa tsy misy tompo marina afa-tsy I Allah ary i Mohammad dia irak’I Allah, Hoy ny Mpaminany (S.A.W) : “Io no teny marina sy entitra izay nilazan’I Allah manao hoe : {Hamafisin'I Allah amin'ny teny entitra ireo mpino eto amin'ny fiainana sy any ankoatra} [Ibrahim: 27].

فوائد الحديث

Ny fanontaniana ao am-pasana dia marina.

Ny fahasoavan’I Allah eo amin'reo mpanompony mino azy, eto an-tany sy ny any ankoatra amin’ny fampijorona azy ireo ny teny hentitra.

Tombotsoa azo amin'ny fijorona vavolombelona amin'ny fanokanana an'I Allah sy ny fahafatesana aminy.

Amafisan'I Allah ireo mpino eto an-tany amin’ny fiorenana amin’ny finoana sy ny fijoroana amin’ny làlana mahitsy, ary rehefa maty dia maty amin’ny fanokanana an'I Allah, ary any amin’ny fasana dia hamafisin'I Allah rehefa anontanian'ireo anjely roa.

التصنيفات

Ny fiainana fiandrasana