إعدادات العرض
Raha tena matoky an'Allah marina aanareo, dia hanome anjara masoandro ho anareo Izy, tahaka ny fanomezany anjara masoandro ny vorona; noana Izy mivoaka ny tranony amin'ny maraina, saingy voky ny kibony rehefa miverina amin'ny hariva
Raha tena matoky an'Allah marina aanareo, dia hanome anjara masoandro ho anareo Izy, tahaka ny fanomezany anjara masoandro ny vorona; noana Izy mivoaka ny tranony amin'ny maraina, saingy voky ny kibony rehefa miverina amin'ny hariva
Tatitra azo avy tamin'i Oumar Ibn Al-Khatwab (R.A), niteny : Izaho naheno an'ny Mpaminany (S.A.W) niteny manao hoe : " Raha tena matoky an'Allah marina aanareo, dia hanome anjara masoandro ho anareo Izy, tahaka ny fanomezany anjara masoandro ny vorona; noana Izy mivoaka ny tranony amin'ny maraina, saingy voky ny kibony rehefa miverina amin'ny hariva ".
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español Français Bahasa Indonesia Русский Türkçe اردو 中文 हिन्दी Kurdî Hausa Português മലയാളം తెలుగు Kiswahili فارسی தமிழ் සිංහල မြန်မာ Deutsch 日本語 پښتو Tiếng Việt অসমীয়া Shqip Svenska Čeština ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá Nederlands ئۇيغۇرچە ไทย دری Fulfulde Magyar ಕನ್ನಡ Кыргызча Lietuvių or Română Kinyarwanda Српски O‘zbek Moore नेपाली тоҷикӣ Oromoo Wolof Soomaali Български Українська Tagalog Azərbaycan ქართული bm Lingala Македонскиالشرح
Mamporisika atsika i Mpaminany (S.W.A) mba hiantehitra mandrakariva amin'Allah ilay avo Tsitoha amin'ny fitadiavana ny zava-tsoa sy fanakanana ireo loza amin'ny raharahan'ny fiainana eto an-tany sy ny finoana, satria tsy misy manome, ary tsy misy manakana, tsy misy mampidi-doza, na manome tombontsoa afa-tsy Izy irery ihany, Voninahitra anie ho Azy. Ary tokony hanao ireo antony rehetra mahasoa sy manala ny ratsy misy isika rehetra miaraka amin'ny fitokisana tanteraka an'Allah, ka rehefa manao izany Isika dia omen'Allah ireo anjaram-pivelomana tahakan'ireo vorona izay mivoaka ny maraina noana, dia miverina ny amin’ny hariva kosa dia voky ny kibony. Ity fihetsiky ny vorona ity dia karazana fomba sy antony iray izay hiezahana mitady ny sakafo hohanina, tsy misy fiankinan-doha sy hakamoana.فوائد الحديث
Ny hatsaran'ny fitokisana, ary izany tokoa no iray amin'ireo antony lehibe indrindra hahazoana ny anjara masoandro.
Ny fahatokisana dia tsy manafoana ny fanatanterana anton-javatra, Satria Nilaza Izy fa ny fahatokisana marina dia tsy mifanohitra velively amin'ny fivoahana maraina sy ny hariva ho fandehanana amin'ny fitadiavana ny anjara masoandro.
Ny mahazava-dehibe ny lalàna Islamika dia miainga amin'ireo asan'ny Fo; Satria ny fitokisana dia asa amin'ny fo.
Ny fifantohana amin'ny antoy fotsiny dia tsy fahampiana ara-pinoana, ary ny fialana amin'ny antony dia midika tsy fahampian'ny Saina.
التصنيفات
Vokatsoan'ny asan'ny fo