إعدادات العرض
“Eny tokoa, ireo olo-marina eo anatrehan'Allah dia eo amin’ny lampihazon’ny hazavana, eo ankavanan’Ilay Be Indrafo sy Be voninahitra, ary ny tànany roa dia ankavanana avokoa
“Eny tokoa, ireo olo-marina eo anatrehan'Allah dia eo amin’ny lampihazon’ny hazavana, eo ankavanan’Ilay Be Indrafo sy Be voninahitra, ary ny tànany roa dia ankavanana avokoa
Tatitra azo avy tamin'i Abdoullahi Ibn Amrou (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) : “Eny tokoa, ireo olo-marina eo anatrehan'Allah dia eo amin’ny lampihazon’ny hazavana, eo ankavanan’Ilay Be Indrafo sy Be voninahitra, ary ny tànany roa dia ankavanana avokoa, Ireo izay marina amin’ny fitsarany, sy amin'ny fianakaviany, ary ireo izay iadidiany».
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी සිංහල Kurdî Português മലയാളം తెలుగు Kiswahili தமிழ் မြန်မာ Deutsch 日本語 پښتو Tiếng Việt অসমীয়া Shqip Svenska Čeština ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá Nederlands ئۇيغۇرچە Hausa ไทย دری Fulfulde Magyar Italiano ಕನ್ನಡ Кыргызча Lietuvių or Română Kinyarwanda Српски O‘zbek Moore नेपाली тоҷикӣ Oromoo Wolof Soomaali Български Українська Azərbaycan ქართული bm Македонскиالشرح
Milaza amintsika i Mpaminany (S.W.A) fa ireo izay mitsara ara-drariny sy am-pahamarinana eo amin'ny olombelona ambany fifehezany sy ny fitondrany ary ny fianakaviany, dia izy ireny no voalaza fa hipetraka amin’ny seza avo, ambony izay vita tamin’ny fahazavana, ho fanomezam-boninahitra azy ireo amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty. Ireo lampihazo ireo dia eo an-kavanan’ilay Be famindrampo, ilay Avo Indrindra, ary ny tànan'Allah roa, dia ankavanana avokoa.فوائد الحديث
Ny hatsaran'ny rariny sy ny famporisihana amin'ny fanaovana azy.
Ny rariny amin'ny ankapobeny dia midadasika amin'ireo Rafim-panjakana rehetra sy ny ao amin'ny didim-pitsarana eo amin'ny olombelona, eny fa na dia eo amin'ny vady sy ny zanaka ary ny ankoatrany.
Fanazavana ny toeran’ireo alo-marina amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty.
Ny toeran’ireo olona manam-pinoana dia hiovaova amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty, arakaraky ny asa vitany.
Ny fampitsiriritana dia iray amin'ireo fomba fitorian-teny izay mampitsirirtra ny olona antsoina ho amin'ny fankatoavana.
التصنيفات
Ny fitondran-tena tsara