Nivoaka teo aminay ny Mpaminany (S.A.W) dia hoy izahay : Ry irak'Allah ô, efa nianatra ny fomba fiarahabana anao izahay, koa ahoana no fomba hangatahanay tso-drano ho anao?

Nivoaka teo aminay ny Mpaminany (S.A.W) dia hoy izahay : Ry irak'Allah ô, efa nianatra ny fomba fiarahabana anao izahay, koa ahoana no fomba hangatahanay tso-drano ho anao?

Tatitra azo avy tamin'i Abdor-Rahman bin abi Laila niteny hoe : Nifanena tamiko i Ka'b bin ojrah dia niteny manao hoe : Tsy homeko fanomezana va ianao? Nivoaka teo aminay ny Mpaminany (S.A.W) dia hoy izahay : Ry irak'Allah ô, efa nianatra ny fomba fiarahabana anao izahay, koa ahoana no fomba hangatahanay tso-drano ho anao? Dia hoy izy namaly hoe : “Teneno hoe : Allahomma Soalli à'la Mohammadin Wa à'la à'li mohammadin kama soallaita à 'la Ibrahima Wa à'la aàli Ibrahima Innaka hamidon madjid. Allahomma baarik à 'la Mohammadin wa à'la à 'li Mohammadin kama bà'rakta à 'la Ibrahima wa à'la a'li Ibrahima Innaka hamidon Madjid".

[Sahih/Authentic.] [Al-Bukhari and Muslim]

الشرح

Nanontany an' ny Mpaminany (S.A.W) ireo mpanara-diany ny fomba hoentin'izy ireo mangataka tso-drano ho azy? Taorian'ny nahaizan'izy ireo ny fomba fiarahabana azy hoe : “Ho aminao anie ny fiadanana ry Mpaminany ary ny famindram-po sy ny fahasoavan’I Allah...”? Ka nambaran'ny Mpaminany (S.A.W) tamin'izy ireo ny fomba ho ataon'izy ireo rehefa hangataka tso-drano ho azy sy ny dikan'izany: "Allahomma Soalli a'la Mohammadin Wa a'la a'li mohammad" Izany hoe: Dokafo izy amin'ny fitenenana tsara momba azy any amin'ireo Anjely akaiky anao, sy amin'ireo mpanaraka ny finoany, sy ireo mpino havany akaiky. "kama soallaita a'la Ibrahima" Tahaka ny nanomezanao fahasoavana ho an'ny fianakavian'i Ibraham (A.S), dia i Abrahama sy Ismael ary Isaka ary ny taranany sy ireo mpino mpanaraka azy, dia tohizo izany fahasoavanao izany mankany any amin'i Mohammad (S.A.W). "Innaka hamidon madjid" Izany hoe : mendri-piderana ao amin’ny tenanao, ny toetoetranao sy ny fihetsikao, ary midadasika ny fahalehibiazanao sy ny fahefanao ary ny fahalalahan-tànanao. "Allahomma baarik à'la Mohammadin wa à'la à'li Mohammadin kama bà 'rakta à 'la Ibrahima". Izany hoe, omeo azy ny fahatsarana sy ny fahamendrehana lehibe indrindra, ary ampitomboy sy hamafiso izany.

فوائد الحديث

Ireo tany alohantsika (Salaf) dia nifanakalo hevitra amin'ny fahalalana.

Voadidy tsy maintsy mivavaka ho an'ny Mpaminany (S.A.W) isika rehefa amin'ny tasahhod farany amin'ny Soalat.

Nampianatra ny mpanara-diany amin'ny fiarahabana sy hivavaka ho azy ny Mpaminany (S.A.W).

Io teny io no teny feno indrindra handefasana vavaka amin'ny Mpaminany (S.A.W).