Na iza na iza ny manao ny Vavaka maraina (Soalat Sobhy) dia eo ambanin'ny fiarovan'i Tompo Allah

Na iza na iza ny manao ny Vavaka maraina (Soalat Sobhy) dia eo ambanin'ny fiarovan'i Tompo Allah

Arakan’ny Tatitra noentin’ny Jondob bin Abdillah Al-Qusri (R.d) , dia hoy Izy Nilaza fa : Ny Irakan'i Tompo Allah (s.w.a) Nilaza ka nanao hoe : " Na iza na iza ny manao ny Vavaka maraina (Soalat Sobhy) dia eo ambanin'ny fiarovan'i Tompo Allah, ka i Tompo Allah dia tsy hangataka na inona na inona Aminareo zavatra ho Azy velively na dia kely aza fa izay hangataka na inona na inona Aminao ho Azy dia hanipy Azy amin'ny tavany any amin'ny afon'ny Helo."

[Mari-pototra] [Notantaraiin'i Moslim]

الشرح

I Mpaminany (S.W.A) dia Milaza Amintsika fa na iza na iza ny Olona mivavaka Soalat Fadjry dia ao anatin'ny fiarovan'Ii Tompo Allah sy ny fitahiany ary ny fanavotana ho Azy. Avy eo Izy (S.W.A) dia nampitandrina ny amin'ny fandikana sy ny fanafoanana io fanekena io, na amin'ny fialana amin'ny Vavaka maraina, na amin'ny fanafihana sy famelezana izay mivavaka, fa na iza na iza manao izany dia nandika izany fanakaikaizana izany, ary mendrika ny hahazo izany. fandrahonana mafy fa hanontanian’i Tompo Allah Azy ny amin’izay tsy noraharahiny, ary na iza na iza tadiavin’i Tompo Allah dia hosamboriny, ary avy eo hanipy Azy amin’ny tavany dia ao anaty afo.

فوائد الحديث

Manazava ny maha-zava-dehibe sy fahasoavana ny Vavaka maraina Soalat Fadjry.

Fampitandremana henjana amin'ny loza ho an'ireo izay tsy mivavaka Soalat Fadjry.

Ny famalian’i Tompo Allah ilay avo Tsitoha amin’ireo izay manafika ny Mpanompony marina

التصنيفات

Ny tombotsoan'ny Swalat