إعدادات العرض
Tandremonareo ny tsy rariny, fa ny tsy rariny dia ho maizina amin'ny andro farany, ary tandremo ny fahirana, satria ny fahirana no naharendrika ireo talohanareo
Tandremonareo ny tsy rariny, fa ny tsy rariny dia ho maizina amin'ny andro farany, ary tandremo ny fahirana, satria ny fahirana no naharendrika ireo talohanareo
Tatitra azo avy amin'i Jabir bin Abdollah (R.A), niteny nyMpaminany (S.A.W) manao hoe : "Tandremonareo ny tsy rariny, fa ny tsy rariny dia ho maizina amin'ny andro farany, ary tandremo ny fahirana, satria ny fahirana no naharendrika ireo talohanareo, ka nahatonga azy ireo nandatsa-drà ary nampa-ara-dàlana ny zava-boarara".
[Mari-pototra] [Notantaraiin'i Moslim]
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Tiếng Việt Hausa Kurdî Português සිංහල Svenska ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá ئۇيغۇرچە Kiswahili پښتو অসমীয়া دری Кыргызча or नेपाली Čeština Oromoo Română Nederlands Soomaali తెలుగు ไทย മലയാളം Српски Kinyarwanda ಕನ್ನಡ Lietuvių Wolof Українська ქართული Magyar Moore Shqipالشرح
Nampitandrina ny amin'ny tsy rariny ny Mpaminany (S.A.W), anisan'izany ny : tsy rariny amin'ny olona, tsy rariny amin'ny tena, ary ny tsy rariny amin'ny zon'I Allah Tsitoha. Izany dia ny fialana amin’ny fanomezana ny tsirairay ny zony, ary ny tsy rariny dia haizina ho an'ny mpanao azy amin'ny andro farany, noho ny fisian’ny fahasahiranana sy ny horohoro, Noraràny ny fahirana, izay fahirana diso tafahoatra miampy fitandrovana fatratra ny harena, ao anatin'izany ny tsy fahazotoana amin'ny fanatanterahana ny zo ara-bola sy ny fiahiahiana fatratra amin'ny fiainana eto an-tany, Io karazana tsy rariny io dia naha rendrika ireo vahoaka teo alohantsika, satria nanery azy ireo hifamono sy hamela izay noraran’Allah.فوائد الحديث
Ny fanomezana harena sy fampiononana ny rahalahy no anisan’ny mahatonga ny fifankatiavana sy ny fifandraisana.
Ny fahirana sy ny fanaovana izany diso tafahoatra dia mitarika ho amin’ny fahotana sy ny fahalotoam-pitondrantena ary ny fahadisona.
Fakana lesona amin'ny toe-javatra niainan'ireo vahoaka teo aloha.