إعدادات العرض
Nisy lehilahy iray nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Aiza amin'ireo fanompoana ao amin'ny finoana silamo no tsara indrindra? Hoy izy namaly hoe : “Mampisakafo olona, ary miarahaba an’izay fantatrao sy izay tsy fantatrao.”
Nisy lehilahy iray nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Aiza amin'ireo fanompoana ao amin'ny finoana silamo no tsara indrindra? Hoy izy namaly hoe : “Mampisakafo olona, ary miarahaba an’izay fantatrao sy izay tsy fantatrao.”
Tatitra azo avy tamin'i Abdillah bin Amro (R.A) niteny izy : Nisy lehilahy iray nanontany an'ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Aiza amin'ireo fanompoana ao amin'ny finoana silamo no tsara indrindra? Hoy izy namaly hoe : “Mampisakafo olona, ary miarahaba an’izay fantatrao sy izay tsy fantatrao.”
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Tiếng Việt Hausa Kurdî Português සිංහල Svenska ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá ئۇيغۇرچە Kiswahili پښتو অসমীয়া دری Кыргызча or नेपाली Čeština Oromoo Română Nederlands Soomaali తెలుగు ไทย മലയാളം Српски Kinyarwanda ಕನ್ನಡ Lietuvių Wolof Українська ქართული Magyar Moore Shqipالشرح
Nanontaniana ny Mpaminany (S.A.W) hoe : karazan-javatra inona ao amin'ny finoana silamo no tsara indrindra? Nanonona karazan-javatra roa izy : Ny voalohany : Ny fanomezana sakafo betsaka ny mahantra, tafiditra ao anatin'izany ny fanampiana sy fanomezana ary fampiantranoana sy fanasam-be, ary tena tsara amin'ny fampisakafona dia amin’ny fotoan’ny mosary sy ny fiakaran'ny vidin'entana. Ny faharoa : Fiarahabana ny mpino silamo rehetra, na fantatrao na tsia.فوائد الحديث
Fiezahan'ireo mpanaradia ny hahafantatra ireo toetra mahasoa eto an-tany sy ny any ankoatra.
Ny fiarahabana sy ny fampisakafoanana dia anisan'ny asa tsara indrindra amin'ny finoana silamo ; Noho ny hatsarany sy ny filan’ny olona azy amin’ny fotoana rehetra.
Mitambatra amin'io karazany roa io ny fanasoavana amin'ny teny sy fihetsika, ary izany no fanasoavana feno indrindra.
Io karazany iray io dia mifandraika eo amin'ny fifandraisan'ny samy mpino silamo , ary misy karazany hafa ifandraisan'ny mpanompo amin'ny Tompony.
Ny fanombohana ny fiarahabana dia natokana ho amin'ny samy silamo, ka tsy mety ny miarahaba aloha ny tsy mpino.