Mifikira amin'ity boky masina coran ity ianareo, izaho mianiana amin'ilay mitazona ny fofon'ain'i Mouhammad eo am-pelatànany fa izy io dia mora mivaha mihoatra ny rameva amin'ny tadiny

Mifikira amin'ity boky masina coran ity ianareo, izaho mianiana amin'ilay mitazona ny fofon'ain'i Mouhammad eo am-pelatànany fa izy io dia mora mivaha mihoatra ny rameva amin'ny tadiny

Tatitra azo avy amin'i Abou Moussa Al-Ashariou (R.A), niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Mifikira amin'ity boky masina coran ity ianareo, izaho mianiana amin'ilay mitazona ny fofon'ain'i Mouhammad eo am-pelatànany fa izy io dia mora mivaha mihoatra ny rameva amin'ny tadiny ".

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

الشرح

Nandidy i Mpaminany (S,W,A) amin'ny ffikirana amin'ny Boky masina Koroany sy ny famakina azy matetika mba tsy hanadinoana azy taorian'ny nahaizany azy tsy anjery azy tao am-pony, ary nanamafy i Mpaminany (S.W.A) tamin'ny fianianiana nataony fa ny Boky masina Koroany dia malaky mandeha sy mora miala ao am-po mihoatra ny rameva izay mifatotra, izay afatotra amin'ny tady eo afovoan'ny sandriny, raha tazonin'ny olona izany dia voatazony, ary raha avelany dia lasa ka very.

فوائد الحديث

Raha toa ka mifikitra amin'ny famakiana azy hatrany hatrany ny mpahay tsianjery ny CORAN dia ho voatahiry ao am-pony izany, raha tsy izany dia handao azy izy ka hanadino izany.

Anisan'ny tombony azo amin'ny fianarana ny CORAN : Tombotsoa sy valisoa ary fampiakarana ny voninahitra amin'ny andro andro farany.

التصنيفات

Ny tombotsoan'ny fitandremana ny CORAN