tsy misy fifehezana ho an'izay mifehy mandavan-taona, fa ny fifehezana telo andro dia mitovy amin’ny fifadian-kanina mandritra ny androm-piainany

tsy misy fifehezana ho an'izay mifehy mandavan-taona, fa ny fifehezana telo andro dia mitovy amin’ny fifadian-kanina mandritra ny androm-piainany

Tatitra azo avy tamin'i Abdollahi Ibn Amro Ibn Al-Aasi (R.A), Niteny i Mpaminany (S.W.A) manao hoe : “Mifady hanina foana ianao ary mifoha mivavaka mandritra ny alina?” Hoy aho hoe : "Eny". Dia niteny izy : “Raha manao izany ianao, dia hamely anao ny maso ratsy ary ho marefo ny vatana", tsy misy fifehezana ho an'izay mifehy mandavan-taona, fa ny fifehezana telo andro dia mitovy amin’ny fifadian-kanina mandritra ny androm-piainany", Hoy aho : Izaho mahavita manao mihoatra izany, dia namaly izy hoe : "Mifeheza tahaka natoan'i Daod (A.S), satria izy nifehy indray andro ary mamaha indray andro, ary tsy mandositra raha sendra izany".

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

الشرح

Henon'ny Mpaminany (S.A.W) fa i Abdollah bin Amr (R.A) nifehy mandritry ny iray taona ka tsy mamaha mihitsy, ary mivavaka isaky ny alina ka tsy matory mihitsy, dia norarany tamin'izany izy ka nolazainy taminy hoe : Mifeheza dia mamaha, ary mivavaha amin'ny alina ary matoria ihany koa. Nandrara azy tsy hanohy ny fifadian-kanina sy ny fivavahana mandritra ny alina i Mpaminany (S.A.W), ary hoy izy taminy : Raha manao izany ianao, dia harefo ny masonao ary ho saro-piaro ianao ka ho reraka sy ho marefo ny fanahinao. Izay mifady hanina tsy manaraka ny Sonnah dia tsy hahazo valisoan'ny fifadian-kanina noho ny fandrarana, ary tsy nitsahatra ny fifadian-kanina satria nifady hanina foana. Dia nanoro làlana azy mba hifady hanina telo andro isam-bolana, fa izany no fifadian-kanina isan-taona. Satria ny andro iray dia hahazo valisoan'ny folo andro, ary izany no kely indrindra amin'ny fampitomboana ny asa soa. Hoy i Abdollah : Afaka manao mihoatra noho izany aho. Hoy i Mpaminany (S.A.W) hoe : Raha izany dia mifeheza tahaky ny fifehezan'i Daod (A.S), satria izy io no fifehezana tsara indrindra, Satria izy mifehy indray andro ary mamaha indray andro, ary tsy mandositra rehefa mifanena amin'ny fahavalo; Satria tsy nampahalemy ny vatany ny fomba nataony tamin'ny fifadian-kanina.

فوائد الحديث

Ny fifadian-kanina telo andro isam-bolana dia toy ny fifadian-kanina isan-taona, satria mitombo avo folo heny ny asa soa iray, ka raha mifady hanina telo andro isam-bolana izy, dia toy ny mifady hanina mandritra ny taona iray manontolo.

Anisan’ny fomba fiantsoana an’I Allah ny famporisihana ny olona hiasa, ny filazana ny valisoa azony ary ny valisoan’ny faharetana amin’izany.

Hoy i Al-Khattabi : Ny fitambaran'ny tantaran'i Abdollah bin Amr dia ny hoe tsy nivavaka manokana tamin'ny mpanompony tamin'ny fifadian-kanina Allah, fa nandidy azy tamin'ny karazana fanompoana isan-karazany, ka raha nanokana ny ezaka nataony tamin'ny fanompoana iray izy dia ho nanao tsirambina tamin'ny hafa, noho izany dia tsara kokoa ny mitsitsy aina amin’izany mba hitahiry hery ho an’ny hafa.” Ary notsiahivin'ny Mpaminany (S.A.W) tamin'ny teniny momba an'ny Mpaminany Daod (A.S) hoe : "Tsy mandositra rehefa mifanena tamin'ny fahavalony", Satria izy mahazo tanjaka tamin'ny fihinanany mba hahafahany manao Jiady.

Voarara ny milatsaka lalina loatra amin’ny fanompoana fa ny tsara dia fanarahana ny Sonnah.

Ny foto-pampianaran'ny ankamaroan'ny manam-pahaizana dia milaza fa tsy tsara ny mifady hanina maharitra mandritra ny taona, ary voarara raha manery ny tenany ka manimba azy, ary izany dia fialàna amin'ny fampianaran'ny Mpaminany (S.A.W) mino fa zavatra hafa ankoatra ny Sonnah-ny no tsara noho izany.

التصنيفات

Ny fifehezana an-tsitrapo