Na iza na iza mamaky andinin'ny roa farany ao amin'ny Sourat Al-Bakarat amin'ny alina dia lazaina fa ampy ho azy izany

Na iza na iza mamaky andinin'ny roa farany ao amin'ny Sourat Al-Bakarat amin'ny alina dia lazaina fa ampy ho azy izany

Tatitra azo avy tamin'i Abou Ibn Massoudi (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Na iza na iza mamaky andinin'ny roa farany ao amin'ny Sourat Al-Bakarat amin'ny alina dia lazaina fa ampy ho azy izany".

[Mari-pototra] [Notantarain’i Bokhari sy Moslim]

الشرح

Nampahafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa izay mamaky andininy masina roa farany amin'ny Sourat Al-bakarat amin'ny alina, dia Tompo Allah hiaro azy amin'ny ratsy rehetra, ary nilaza koa fa hoe : Ampy ho azy amin'ny fivavahana amin'ny alina, ary misy milaza hoe : Ampy ho azy amin'ireny tonombavaka ireny, ary misy nilaza hoe : Ampy vakina mandritra ny fivavahana amin'ny alina, ary misy milaza ankoatr'izany, fa ny rehetra voalaza dia marina mameno ny hevitra rehetra.

فوائد الحديث

Fanazavana tombotsoan'ireo andininy farany ao amin'ny Sourat Al-bakarat, ary izany dia manomboka eo amin'ny tenin'i Allah hoe : ( Àmanar-Rasòli...) ka hatramin'ny faran'ny Sourat.

Andininy masina farany amin'ny Sourat Al-bakarat dia miaro ny mpamaky azy amin'ireo haratsina sy ny loza ary ny devoly raha mamaky izany amin'ny alina.

Ny alina dia manomboka amin'ny filentehan'ny masoandro ary mifarana amin'ny maraina.

التصنيفات

Ny hasin'ireo Toko (surat) sy ireo andininy, Tonombavaka vakina amin'ny maraina sy hariva