إعدادات العرض
Ny Imany na ny finoana dia manana ampana fitopolo na koa Enimpolo mahery - fa ny tsara indrindra amin'izany dia ilay teny hoe "Là ilàha illal-làloahou, ary ny ambany indrindra amin'izany dia fanalana izay rehetra mety mandratra ny olona eny amin'ny làlana
Ny Imany na ny finoana dia manana ampana fitopolo na koa Enimpolo mahery - fa ny tsara indrindra amin'izany dia ilay teny hoe "Là ilàha illal-làloahou, ary ny ambany indrindra amin'izany dia fanalana izay rehetra mety mandratra ny olona eny amin'ny làlana
Tatitra azo avy amin'i Abou Houraira (R.A) : Niteny i Mpaminany (S.A.W) manao hoe : "Ny Imany na ny finoana dia manana ampana fitopolo na koa Enimpolo mahery - fa ny tsara indrindra amin'izany dia ilay teny hoe "Là ilàha illal-làloahou, ary ny ambany indrindra amin'izany dia fanalana izay rehetra mety mandratra ny olona eny amin'ny làlana ary ny fananana ny henatra dia anisan'ny finoana".
الترجمة
العربية বাংলা Bosanski English Español فارسی Français Bahasa Indonesia Русский Tagalog Türkçe اردو 中文 हिन्दी Tiếng Việt Kurdî Português മലയാളം తెలుగు Kiswahili தமிழ் မြန်မာ ไทย Deutsch 日本語 پښتو অসমীয়া Shqip Svenska Čeština ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá Nederlands ئۇيغۇرچە සිංහල Hausa دری Magyar Italiano ಕನ್ನಡ Кыргызча Lietuvių Română Kinyarwanda नेपाली Српски Wolof Soomaali Moore Українська Български Azərbaycan ქართული тоҷикӣالشرح
Mampahafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa ny finoana dia misy sampana sy fizarana maro, ka tafiditra ao ny asa sy ny foto-pinoana ary ny teny. Ary ny avo sy tsara indrindra amin'izany dia ny fitenenana : "Là ilàha illal-làhou", mahalala tsara ny dikany, manatanteraka ireo asa takiany, izany hoe : izy Allah no tompo tokana mendrika ho tompoina ary tsy misy ny ankoatrany. Ny ambany indrindra amin'ny asan'ny finoana dia ny manala izay rehetra mety manimba sy mandratra ny olona amin'ny làlany. Avy nampahafantatra i Mpaminany (S.W.A) fa ny fahaizana menatra dia anisany amin'ny finoana, ary izany dia toetra mitarika amin'ny fanaovan-tsoa sy ny famelana ny ratsy.فوائد الحديث
Ny finoana dia misy ambaratonga ka ny andaniny dia mendrika kokoa nohon'ny ankilany.
Ny Fanekem-pinoana dia teny sy asa ary foto-pinoana.
Ny fananana ny henatra dia avy amin'ny Tompo Allah ka mitaky : Tsy hahitany anao amin'ireny toerana nadrarany Anao ary hitany mandrakariva amin'ireny toerana izay nandidiny anao.
Filazana ireny isa dia tsy midika fijanonana amin'izany, fa midika ny hamaron'ny asan'ny finoana, satria ny Arabo dia mety hilaza isan-javatra fa tsy mitady fanafoanana ny ankoatr'izany.
التصنيفات
Ny fitomboan'ny finoana sy fihenany