Tena marina fa anisany iray amin'ireo famantarana ny amin'ny Andro farany dia ny fialàn'ny ny fahalalana, sy fitombohan'ny habadoana, ary tena hitombo tokoa ny fijangajangana, sy hitombo ihany koa ny fisotroana toaka, hihena ny isan'ireo lehilahy, ary hitombo ny vehivavy mandra-pahatongan'ny…

Tena marina fa anisany iray amin'ireo famantarana ny amin'ny Andro farany dia ny fialàn'ny ny fahalalana, sy fitombohan'ny habadoana, ary tena hitombo tokoa ny fijangajangana, sy hitombo ihany koa ny fisotroana toaka, hihena ny isan'ireo lehilahy, ary hitombo ny vehivavy mandra-pahatongan'ny vehivavy dimampolo lasa ho an'ny lehilahy iray

Tatitra azo avy amin'i Anas (R.D), Niteny Izy ka nanao hoe : Hitantara Aminareo Hadith iray izay reko tamin'ny Iraka mahafatokin'i Tompo Allah Aho, ka tsy hisy hitantara Aminareo izany afa-tsy Izaho ihany : Nandre ny Irakan'i Tompo Allah Aho Niteny ka nanao hoe : " Tena marina fa anisany iray amin'ireo famantarana ny amin'ny Andro farany dia ny fialàn'ny ny fahalalana, sy fitombohan'ny habadoana, ary tena hitombo tokoa ny fijangajangana, sy hitombo ihany koa ny fisotroana toaka, hihena ny isan'ireo lehilahy, ary hitombo ny vehivavy mandra-pahatongan'ny vehivavy dimampolo lasa ho an'ny lehilahy iray ."

[Sahih/Authentic.] [Al-Bukhari and Muslim]

الشرح

Nanazava i Mpaminany (S.W.A) fa iray amin'ireo famantarana ny fahatongavan'ny Andro farany sy ny Andro ny fitsarana dia hiala eo amin'ny Olombelona avokoa ny fahalalana ara-pinoana, ary izany zavatra izany dia miseho noho ny avy amin'ny fahafatesan'ireo Manam-pahaizana rehetra misy eto an-tany. Ka ny vokany izany dia mitombo sy mihanaka mahay maro sy betsaka ny tsy fahalalana, lasa mitombo avo eny ny isan'ireo mandray anjara amin'ny fijangajangana sy ny fahalotoam-pitondrantena, any ka lasaq mitombo avo eny ihany koa ny isan'ireo mandray anjara amin'ny fisotroana ny toaka, ary lasa mihena andro amanalina ny isan'ireo vatan-dehilahy fa lasa mitombo isa mandrakariva ihany kosa ny isan'ireo vehivavy. Ka dia lasa miafara vehivavy dimampolo indray no manana lehilahy iray izay mitsangana mikarakara ny raharaha momba azy ireo sy mikarakara ihany koa ny tombontsoan'izy ireo.

فوائد الحديث

Fanazavana sy famelabelarana ireo ampahany amin'ireo famantarana ny fisiany Andro farany.

Ny fahalalana momba ny fotoana izay mety higadonan'ny Andro farany dia tafiditra anisan'ireo fahalalana miafina izay nosafidin'ny Tompo Allah ho an'ny Tenany manokana irery ihany ka tsy misy mahalala sy mahafantatra an'izany na dia iray aza.

Famporisihana ny hianatra ny fahalalana momba ny finoana Islam mialohan'ny hahavery Azy.