Aza mianatra fahalalana Ianareo ka ho entina hifaninanana amin' ireo manam-pahalalana, na koa ho entina hanambanina ireo tsy mahalala

Aza mianatra fahalalana Ianareo ka ho entina hifaninanana amin' ireo manam-pahalalana, na koa ho entina hanambanina ireo tsy mahalala

Tatitra azo avy tamin'i Jàbir bin Abdillah (R.D), Niteny i Mpaminany (S.W.A) ka nanao hoe : " Aza mianatra fahalalana Ianareo ka ho entina hifaninanana amin' ireo manam-pahalalana, na koa ho entina hanambanina ireo tsy mahalala, na koa ho entina hahazoana toerana tsara, fa izay manao izany dia Afobo Afobe".

[Mari-pototra] [Notantarain’i Ibn Màjah]

الشرح

Nampitandrina i Mpaminany (S.W.A) ny amin’ny fitadiavana fahalalana noho ny fireharehana sy ny fisehosehoana amin’ireo manam-pahaizana, na ny hanehoana fa manam-pahaizana toa Anareo Aho, na entina miresaka sy miady hevitra amin’ireo bado sy malemy- saina, na koa hianarana mba hazoana toerana, omena laharam-pahamehana noho ny hafa. Fa izay manao izany dia; miendrika Azy tokoa ny Afobe noho ny fisehosehoany amin'ny Asany ary tsy fisian'ny fahadiovam-po amin'ny fitadiavany ny fahalalana ho an'i Tompo Allah.

فوائد الحديث

Fandrahonana sy fampitahorana amin'ny Afobe ho an'izay mianatra fahalalana ka entiny mba hirehareha momba izany, hiady hevitra momba izany, ary hahazo toerana tsara amin'izany, sns.

Ny maha-zava-dehibe ny fananana ny Fikasana marina sy fahadiovam-po madio ho an'ireo rehetra izay Mianatra sy Mampianatra ny fahalalana.

Ny Fikasana dia fototry ny Asa ary amin'izany no hamaliana ny Olona.

التصنيفات

Ireo areti-po, Fanamelohana ny filàna sy ny sitrapo, Merit and Significance of Knowledge