إعدادات العرض
Eny tokoa, fa ny zavatra lazainao sy anentananao dia tsara tokoa, ka raha lazainao anay anefa fa mbola misy famelana ireo heloka vitanay
Eny tokoa, fa ny zavatra lazainao sy anentananao dia tsara tokoa, ka raha lazainao anay anefa fa mbola misy famelana ireo heloka vitanay
Tatitra azo avy amin'i Ibn Abbas (R.A) : Ireo vahoaka mpanompo sampy efa namono olona im-betsaka sy nijangajanga be dia be, ka tonga nanatona an'ny mpaminany Mohammad (S.A.W) izy ireo ary niteny hoe : Eny tokoa, fa ny zavatra lazainao sy anentananao dia tsara tokoa, ka raha lazainao anay anefa fa mbola misy famelana ireo heloka vitanay, teo dia nilatsaka ny andininy masina manao hoe : “Ary izay tsy mangataka amin'ny Tompo hafa, miaraka amin'Allah, sy tsy mamono ny aina izay nataon'Allah voarara, raha tsy amin'ny fahamarinana, ary tsy mijangajanga}. -[Forqan : 68], ary nilatsaka koa ny andininy hafa hoe: “Lazao hoe : Ry mpanompoko, izay nanao ny tafahoatra tamin'ny tenany, aza very fanantenana amin'ny famindram-pon'Allah ianareo.” [Al-Zomar: 53].
الترجمة
العربية English မြန်မာ Svenska Čeština ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá Nederlands اردو Bahasa Indonesia ئۇيغۇرچە বাংলা Türkçe සිංහල हिन्दी Tiếng Việt Hausa తెలుగు Kiswahili ไทย پښتو অসমীয়া دری Кыргызча Lietuvių Kinyarwanda नेपाली മലയാളം Bosanski Italiano ಕನ್ನಡ Kurdî Oromoo Română Shqip Soomaali Српски Wolof Moore Українська Tagalog தமிழ் Azərbaycan فارسی ქართული 中文 Magyarالشرح
Nisy lehilahy mpanompo sampy nanatona ny Mpaminany (S.A.W) ary efa be dia be ny vonoan'olona sy ny fijangajangana nataony, dia hoy izy ireo tamin'ny Mpaminany (S.A.W) : "Ny zavatra iantsoanao amin'ny finoana Islam sy ny fampianarany dia zavatra tsara." , ka ahoana ny toe-piainanay sy ny fanompoan-tsampy nataonay sy ny fahotana lehibe? Misy famelana ve izany? Koa nidina ireo andininy roa ireo, izay naneken’Allah ny fibebahan’ny olona na teo ny fahotana betsaka sy lehibe vitany, ary raha tsy izany, dia ho nanohy ny tsy finoany sy ny fandikan-dalàna ary tsy niditra tamin’io finoana io izy ireo.فوائد الحديث
Ny fahasoavana sy ny halehiben'ny finoana Islam ary ny famotehana ny fahotana teo alohany.
Ny haben’ny famindrampon’Allah sy ny famelan-kelony ary ny fandeferany ho an’ireo mpanompony.
Fandrarana ny fanompoan-tsampy, fandrarana ny famonoana olona amin'ny tsy ara-dalàna, ny fandrarana ny fijangajangana, ary ny fandrahonana ireo izay manao izany fahotana izany.
Ny fibebahana amin-kitsimpo miaraka amin’ny fahadiovam-po sy ny asa soa dia manafoana ny fahotana lehibe rehetra, anisan’izany ny tsy finoana an’Allah ilay Tsitoha.
Voarara ny famoizam-po sy ny fahakivina amin'ny famindrampon'Allah ilay Be voninahitra.