إعدادات العرض
Ry vahoaka (mpino), nesorin’Allah taminareo ny vesatry ny habadoana sy ny fanomezanareo voninahitra ny razanareo noho izany
Ry vahoaka (mpino), nesorin’Allah taminareo ny vesatry ny habadoana sy ny fanomezanareo voninahitra ny razanareo noho izany
Tatitra azo avy amin'i Ibn Omar (R.A) niteny hoe: Nanao ny vaky kabariny tamin’ireo olona ilay irak'Allah (S.A.W) tamin’ny andro nahazoana ny tanànan'ny Lameka ka nanao hoe : “Ry vahoaka (mpino), nesorin’Allah taminareo ny vesatry ny habadoana sy ny fanomezanareo voninahitra ny razanareo noho izany, fa ny olombelona dia misy karazany roa : mpino, manam-patahorana, be voninahitra manoloana an’Allah, sy ny tsy matahotra an’Allah, ory, tsisy fotony eo anatrehan’Allah, ary ny olona rehetra dia taranak’Adama, Ary avy tamin’ny tany no niharian’Allah an’Adama. Hoy i Allah manao hoe : "Ry olombelona! Noharianay avy amin'ny lahy sy vavy ianareo, ary nataonay ho vahoaka sy foko maro, mba hifankahalalanareo. Fa ny mendrika indrindra aminareo eo anatrehan'Allah, dia izay vontompinoana indrindra. Fa Mahalala sy Mahafantatra tsara ny zavatra rehetra Allah.” [Al-Hojràty: 13]
الترجمة
العربية English မြန်မာ Svenska Čeština ગુજરાતી አማርኛ Yorùbá Nederlands اردو Bahasa Indonesia ئۇيغۇرچە বাংলা Türkçe සිංහල हिन्दी Tiếng Việt Hausa తెలుగు Kiswahili ไทย پښتو অসমীয়া دری Кыргызча Lietuvių Kinyarwanda नेपाली മലയാളം Bosanski Italiano ಕನ್ನಡ Kurdî Oromoo Română Shqip Soomaali Српски Українська Wolof Moore Tagalog தமிழ் Azərbaycan فارسی ქართული 中文 Magyarالشرح
Nanao vaky kabary tamin’ireo olona ny Mpaminany (S.A.W) tamin’ny andro nahazoana ny Lameka nanao hoe : “Ry vahoaka, Allah efa nanaisotra sy nanala teo aminareo ny fiavonavonana noho ny tsy fahalalana sy fireharehana amin'ireo razambenareo, fa ny olona kosa dia misy karazany roa : Na izy mpino mendrika, manam-patahorana, manompo an’Allah Tsitoha dia izany olona izany no omen'Allah voninahitra, na dia tsy manana firazanana na fiavina ambony eo amin’ny olona aza izy. Na tsy mpino maloto fitondran-tena, ory, ary tsisy fotony eo anatrehan’Allah, ary tsy misy lanjany akory, na dia avy amin'ny firazanana ambony aza sy fahefana aza. Ary zanak'i Adama avokoa ny olona rehetra, ary avy amin'ny tany no namoronan'Allah an'i Adama. Tsy mendrika amin'ny olona namboarina avy amin'ny tany ny manambony tena sy midera ny tenany. Ny porofon'izany dia ilay tenin'Allah Tsitoha : Ry olombelona! Noharianay avy amin'ny lahy sy vavy ianareo, ary nataonay ho vahoaka sy foko maro, mba hifankahalalanareo. Fa ny mendrika indrindra aminareo eo anatrehan'Allah, dia izay vontompinoana indrindra. Fa Mahalala sy Mahafantatra tsara ny zavatra rehetra Allah.} [Al-Hojràty] : 13].فوائد الحديث
Voarara ny mirehareha momba ny firazanana sy ny fiaviana.