rehefa miditra ny moske izy dia miteny hoe : "Aouzoubillahil-Azim, wabiwjhihil-karim, wasoultwanihil-quadim, minashaitwanir-rajim - izay midika Mangataka fialofana amin'Allah ilay Tsitoha aho, sy amin'ny tavany be voninahitra, ary amin'ny fahefany mandrakizay, manoloana ny Satana voaozona”

rehefa miditra ny moske izy dia miteny hoe : "Aouzoubillahil-Azim, wabiwjhihil-karim, wasoultwanihil-quadim, minashaitwanir-rajim - izay midika Mangataka fialofana amin'Allah ilay Tsitoha aho, sy amin'ny tavany be voninahitra, ary amin'ny fahefany mandrakizay, manoloana ny Satana voaozona”

Tatitra azo avy tamin'i Abdollah bin Amro bin 'Asi (R.A) : Niteny ny Mpaminany (S.A.W) fa rehefa miditra ny moske izy dia miteny hoe : "Aouzoubillahil-Azim, wabiwjhihil-karim, wasoultwanihil-quadim, minashaitwanir-rajim - izay midika Mangataka fialofana amin'Allah ilay Tsitoha aho, sy amin'ny tavany be voninahitra, ary amin'ny fahefany mandrakizay, manoloana ny Satana voaozona”, Hoy izy : Izay ihany ve? dia hoy aho : Eny, dia hoy ny Mpaminany (S.A.W) hoe : Raha nilaza izany izy, dia hoy ny Satana : Voaaro ny amiko izy amin’ny andro rehetra sisa.

[Tsara] [Notantarain'i Abo Daòd]

الشرح

Ny Mpaminany (S.A.W) rehefa miditra ny moske dia miteny manao hoe : (Ao'zo billàhil-Azhìm) Mila fiarovana sy mialokaloka amin’I Allah sy ireo Toetoetrany aho (Wa biwajhihil-karìm) sy amin'Ilay tavany be voninahitra, (Wasoltwanihi) sy amin'ny fanjakany, ny fandreseny, ny heriny, ny fahefany izay tiany atao amin’ny zavaboariny. (Al-kadìm) Hatrizay Mandrakizay (Minas-shaitoànir-rajìm) manoloana ilay devoly izay noroahina sy nalavirina tamin’ny famindram-pon’I Allah. Izany hoe : Allah ô! Arovy aho amin’ny bitsikany, ny fakam-panahiny, ny dingany, ny loza azo aminy, ny fitalahoany ary ny fahaverezany, fa izy no antom-pahaverezana sy manosika any amin'ny fakam-panahy sy ny habadoana. Nisy nilaza tamin'i Abdollah bin Amr hoe : "Izay ihany" Izany hoe : izao ihany ve no nolazain'ny Mpaminany (S.A.W)? Hoy izy: Eny. Raha ny miditra ao amin'ny moske miteny izao Doan izao; dia hoy ny Satana hoe : Niaro ny tenany tsy ho eo ambany fahefako ilay niditra amin'ny fotoany rehetra, na androny sy ny aliny.

فوائد الحديث

Ny hasarobidin'ny Doan amin'io tonom_bavaka io rehefa miditra ao amin'ny moske, ary izy io miaro izay miteny azy manoloana ny Satana amin'ny androny sisa.

Fampitandremana amin'i Satana, ary izy dia tsy mitsahatra manara_maso akaiky ny mpino Silamo; amin'ny famitahana sy famerezana azy.

Ny olona iray dia ho voaaro amin’ny fameriverezan’i Satana sy ny fitakany, arakaraka ny ezakan'ny fony eo amin'ny finoana an'I Allah, sy ny fahatsiarovana io doan io, sy ny finoana izay voalaza ao aminy araka ny fampanantenan'I Allah ao aminy.

التصنيفات

Ny Fanokanana an'Allah amin'ireo anarany sy ny toetrany, Tonombavaka vakina rehefa miditra sy mivoaka ny moske