إعدادات العرض
avorin’I Allah avokoa ny olona voalohany sy ny farany amin'ny toerana iray, handre ny mpiantso izy ireo ary hahita izany, ary hidina ambany ny masoandro, ny olona dia tratran’ny alahelo sy ny fahoriana ka tsy ho zakany
avorin’I Allah avokoa ny olona voalohany sy ny farany amin'ny toerana iray, handre ny mpiantso izy ireo ary hahita izany, ary hidina ambany ny masoandro, ny olona dia tratran’ny alahelo sy ny fahoriana ka tsy ho zakany
Tatitra azo avy tamin'i Abo Horaïrah (R.A) : Nentina teo amin'ny Mpaminany (S.A.W) hena iray ka nampiakariny teo amin'ny sandriny, ary tena tiany izany, ka nokapainy kely, avy eo niteny izy manao hoe : “Izaho no lehiben’ny olona amin’ny andro fitsanganan’ny maty, ary fantatrareo ve ny dikan’izany? avorin’I Allah avokoa ny olona voalohany sy ny farany amin'ny toerana iray, handre ny mpiantso izy ireo ary hahita izany, ary hidina ambany ny masoandro, ny olona dia tratran’ny alahelo sy ny fahoriana ka tsy ho zakany dia hiteny ny olombelona hoe : «Tsy hitanareo ve ny manjo anareo, tsy mitady olona hanelanelana anareo amin’ny tomponareo ? Dia mifampiresaka ny olona ka miteny ny sasany hoe : Tokony ho any amin'i Adama ianareo, dia tonga tany amin'i Adama izy ireo, ary niteny taminy hoe : Ianao no rain'ny olombelona, noharian’I Allah tamin'ny tànany ianao ary nitsofony tao aminao ny fanahiny, ary nandidy ireo anjely hiankohoka teo anatrehanao, koa mba elanelano amin’ny tomponao izahay, moa ve tsy hitanao ny manjo atsika ankehitriny ? Tsy hitanao ve ny mahazo atsika ankehitriny? . Dia hoy i Adama : Eny tokoa, ny Tompoko dia tezitra amin'izao andro izao amin'ny fomba tsy mbola nahatezitra Azy hatrizay, ary tsy ho tezitra tahaka izany intsony Izy aorian'izany, ary izy efa nandrara ahy tamin'ny hazo nefa tsy nankatoa azy aho, ka tsy mahafantatra zavatra hafa aho ankehitriny afa-tsy ny tenako, ny tenako, ny tenako. Koa mandehana ianareo any amin'i Noha. Lasa any amin’i Noha izy ireo ka niteny hoe : Ry Noha, ianao no voalohany tamin’ireo iraka ho an’ny olona eto an-tany, ary efa nomen’I Allah anarana ianao hoe mpanompo feno fankasitrahana, koa mba elanelano amin’ny tomponao izahay, moa ve tsy hitanao ny manjo atsika ankehitriny? Hoy izy : Eny tokoa, ny Tompoko dia tezitra amin'izao andro izao amin'ny fomba tsy mbola nahatezitra Azy hatrizay, ary tsy ho tezitra tahaka izany intsony Izy aorian'izany, ary izaho dia nangataka ratsy tamin’ireo vahoakako, ka tsy mahafantatra zavatra hafa aho ankehitriny afa-tsy ny tenako, ny tenako, ny tenako, Koa mandehana ianareo makany amin’i Abraham . Lasa tany amin’i Abrahama izy ireo ka niteny hoe : Ry Ibraham, ianao mpaminanin’I Allah sy sakaizany eto an-tany, koa mba elanelano amin’ny tomponao izahay, moa ve tsy hitanao ny manjo atsika ankehitriny? Hoy izy : Eny tokoa, ny Tompoko dia tezitra amin'izao andro izao amin'ny fomba tsy mbola nahatezitra Azy hatrizay, ary izaho efa nandainga amin’ny lainga anakintelo, ka tsy mahafantatra zavatra hafa aho ankehitriny afa-tsy ny tenako, ny tenako, ny tenako, Koa mandehana ianareo makany amin’ny olon-kafa, mandehana any amin’i Mossa. Lasa tany amin’i Mossa izy ireo ka niteny hoe : Ry Mossa, ianao Dia nosafidin’I Allah tamin’ny hafany sy ny firesahany manoloana ny olombelona, koa mba elanelano amin’ny tomponao izahay, moa ve tsy hitanao ny manjo atsika ankehitriny? Hoy izy : Eny tokoa, ny Tompoko dia tezitra amin'izao andro izao amin'ny fomba tsy mbola nahatezitra Azy hatrizay, ary izaho efa nahafaty olona izay tsy nanirahana ahy hamono azy, ka tsy mahafantatra zavatra hafa aho ankehitriny afa-tsy ny tenako, ny tenako, ny tenako, Koa mandehana ianareo makany amin’ny olon-kafa, mandehana any amin’i Issa. Lasa tany amin’i Issa izy ireo ka niteny hoe : Ry Issa, ianao Irak’Allah sy teniny nitsofony tao amin’i Mary sy fanahiny, ary niresaka tamin’ny olona teo am-parafara tamin’ny voateraka, koa mba elanelano amin’ny tomponao izahay, moa ve tsy hitanao ny manjo atsika ankehitriny? Hoy izy : Eny tokoa, ny Tompoko dia tezitra amin'izao andro izao amin'ny fomba tsy mbola nahatezitra Azy hatrizay, ary tsy nanonona fahadisoana vitany, ka tsy mahafantatra zavatra hafa aho ankehitriny afa-tsy ny tenako, ny tenako, ny tenako, Koa mandehana ianareo makany amin’ny olon-kafa, mandehana any amin’i Mohammad. Lasa tany amin’i Mohammad izy ireo ka niteny hoe : Ry Mohammad, ianao Irak’Allah sy farany tamin’ireo Mpaminany, ary efa nofafan’I Allah ny fahotanao lasa sy ny mbola ho avy, koa mba elanelano amin’ny tomponao izahay, moave tsy hitanao ny manjo atsika ankehitriny? Dia mandeha aho ka tonga eo ambanin’ny seza fiandrianana, ary miankohoka eo anatrehan’ny Tompoko, ilay Mahery Indrindra, Ilay Lehibe,Avy eo Allah dia hanome ahy ny iray amin’ny fiderana Azy sy ny fiderana tsara izay tsy nomeny na iza na iza talohan’ny tenako avy eo dia ho lazaina hoe : Ry Mohammad, atsangano ny lohanao, mangataha dia homena ary raha mangataka fanelanelanana dia ho elanelana, dia hanandratra ny lohako aho ka niteny hoe : Ry Tompo o, ny vahoakako, Ry Tompo o, ny vahoakako, Ry Tompo o, ny vahoakako, Dia ho lazaina amiko hoe : Ry Mohammad, ampidiro amin’ny Paradisa avy amin’ny vahokanao ireo izay tsy mandalo fitsarana, amin’ny vavahady havanan’ny Paradisa, ary izy ireo dia mpiara-miasa amin’ny olona ao amin’ny vavahady hafa rehetra, avy eo dia dia miteny izy : Mianiana amin’ilay mitazona ny aiko eo am-pelatànany, ny eo anelanelan'ny vavahadin'ny Paradisa roa dia toy ny eo anelanelan'i Lameka sy Himyar - na eo anelanelan'i Lameka sy Bosra -».
الترجمة
العربية Bosanski English فارسی Français Bahasa Indonesia Русский اردو 中文 हिन्दी Tiếng Việt Español Kurdî Português සිංහල Kiswahili অসমীয়া ગુજરાતી Nederlands Hausa മലയാളം Română Magyar ქართული Moore ไทย Македонски తెలుగు मराठी ਪੰਜਾਬੀ دری አማርኛ বাংলাالشرح
Niaraka tamin'ireo mpanaradiany i Mpaminany (S.A.W) tamin'ny fanasana sakafo, dia natolotra azy ny sandrin'ondry iray, ary izany no henany tena tiany indrindra, ka nokakeriny tamin'ny nifiny ilay hena dia niteny tamin'izy ireo izy manao hoe : Izaho no lehiben’ny zanak’i Adama amin’ny andro fitsanganana amin’ny maty; Izany dia noho ny fahasoavan’I Allah ilay Tsitoha. Dia hoy izy : Fantatrao ve hoe inona anton'izany? Hoy izy : “Hangonina amin’ny andro farany ny olona rehetra eo amin’ny tany malalaka sy lemaka mivelatra amin’ny lafiny iray, ary izay ao aminy dia handre ny mpiantso ary hohodidinin’ny mpitazana, ary tsy hisy takona aminy. Satria ny tany dia fisaka, tsy misy na inona na inona eo amboniny izay afaka mandrakotra na iza na iza amin'ny mpijery, ary ny fahitana dia afaka miditra ao amin'izy ireo, izany hoe, raha miteny ny olona iray, dia ho ren'ny olon-kafa izy ireo, ary ho hitan'ny maso izy ireo, ary hidina ambany ny masoandro amin'ny halavirana metatra vitsivitsy, ary ary hijaly amin’ny alahelo sy ny fijalina izay tsy zakany izy ireo, ka hangataka famonjena amin’ny alàlan’ny fanelanelanana. Koa andefasan'I Allah tsindrimandry ireo manam-pinoana hanatona an’i Adama, rain’ny olombelona, ka manatona azy izy ireo ary nitanisa ny hatsarany, angamba izy no hifona ho azy ireo amin’I Allah ilay Tsitoha, hoy izy ireo taminy : Ianao no Adama, rain’ny olombelona, Nahary anao tamin’ny tànany Allah, ary niankohoka teo anatrehanao ny anjeliny, nampianatra anao ny anaran’ny zava-drehetra, ary nitsofona tao anatinao ny fanahiny, saingy niala tsiny izy ka niteny manao hoe : Ny Tompoko dia tezitra amin'izao andro izao amin'ny fomba tsy mbola nahatezitra Azy hatrizay, ary tsy ho tezitra tahaka izany intsony Izy ao aoriany, avy eo izy mitanisa ny fahadisoana nataony, dia tompo Allah nandrara azy amin'ny fihinana ny hazo saingy mbola nihinana ihany, ary niteny koa hoe : Ny tenako no tokony hangataka fanelanelanana amin'I Allah, Koa mandehana ianareo makany amin’ny olon-kafa, mandehana any amin'i Noha. Dia nankany amin'i Noha izy ireo; dia niteny hoe : Ianao no iraka voalohany nirahin’I Allah ho amin’ny olona ambonin’ny tany, ary niantso anao Allah hoe mpanompo feno fankasitrahana, saingy niala tsiny izy hoe : fa tompo Allah dia tezitra amin'izao andro izao amin'ny fomba tsy mbola nahatezitra Azy hatrizay, ary tsy ho tezitra tahaka izany intsony Izy ao aoriany, Ary nanana Doan ratsy nataony tamin'ny vahoakany izy, ka ny tenako no mendrika elanelanina manoloana an'I Allah , Koa mandehana ianareo any amin'ny olon-kafa, mankanesa any amin’i Abrahama. Dia nanatona an’i Abrahama izy ireo ka niteny hoe : Ianao no sakaizan’I Allah eto an-tany, ka elanelano amin’ny Tomponao izahay, tsy hitanao ve ity zavatra manjo anay ity? Dia hoy izy tamin'ireo vahoaka : Ny Tompoko dia tezitra amin'izao andro izao amin'ny fomba tsy mbola nahatezitra Azy hatrizay, ary tsy ho tezitra tahaka izany intsony Izy ao aoriany, ary izaho efa nandainga in-telo dia ny : ftenenako hoe izaho marary, ary fitenenako hoe : Io lehibe indrindra io no namotika ny sampinareo, ary ny fitenenako tamin'ny vadiko sarah hoe lazao amin'ny mpanjaka fa ianao anabaviko mba tsy hanaovany ratsy atsika. Ny marina dia zavatra mifanipaka amin’ny teny telo ireo, fa noho ny endrik’izy ireo lainga, dia natahotra an’ireo izy, nanamavo ny tenany tamin'ny fanelanelanana, Satria izay mahalala an’I Allah sy akaiky indrindra ny sata dia manana tahotra lehibe indrindra, ka hoy izy : Ny fanahiko no mendrika elanelanina, koa mankanesa any amin’olon-kafa, mankanesa any amin’i Mossa. Lasa tany amin’i Mossa izy ireo ka niteny hoe : Ry Mossa, ianao nosafidin’I Allah tamin’ny hafany sy ny firesahany manoloana ny olombelona, koa mba elanelano amin’ny tomponao izahay, moa ve tsy hitanao ny manjo atsika ankehitriny? Hoy izy : Eny tokoa, ny Tompoko dia tezitra amin'izao andro izao amin'ny fomba tsy mbola nahatezitra Azy hatrizay, ka ny fanahiko no mendrika elanelanina, Koa mandehana ianareo makany amin’ny olon-kafa, mandehana any amin’i Issa zanak'i Mary. Lasa tany amin'i Issa (A.S) izy ireo ka niteny manao hoe : Ry Issa, ianao Irak’Allah sy teniny nitsofony tao amin’i Mary sy fanahiny, ary niresaka tamin’ny olona teo am-parafara tamin’ny voateraka, koa mba elanelano amin’ny tomponao izahay, moave tsy hitanao ny manjo atsika ankehitriny? Hoy izy : Eny tokoa, ny Tompoko dia tezitra amin'izao andro izao amin'ny fomba tsy mbola nahatezitra Azy hatrizay, ary tsy nanonona fahadisoana vitany, ka ny fanahiko no mendrika elanelanina ankehitriny, Koa mandehana ianareo makany amin’ny olon-kafa, mandehana any amin’i Mohammad. Dia tonga teo anatrehan'i Mohammad izy ireo ary miteny hoe : Ry Mohammad ! Ianao Irak'Allah ary farany tamin'ireo Mpaminany, ary efa nofafan'I Allah ny fahotanao teo aloha sy ny taty afara, koa elanelano amin'ny tomponao izahay, tsy hitanao ve ny zavatra manjo anay ankehitriny? Dia lasa aho ka tonga eo ambanin’ny seza fiandrianana, ary miankohoka eo anatrehan’ny Tompoko, ilay Mahery Indrindra, Ilay Lehibe,Avy eo Allah dia hanome ahy ny iray amin’ny fiderana Azy sy ny fiderana tsara izay tsy nomeny na iza na iza talohan’ny tenako, avy eo dia ho lazaina hoe : Ry Mohammad, atsangano ny lohanao, mangataha dia homena ary raha mangataka fanelanelanana dia ho elanelana, dia hanandratra ny lohako aho ka niteny hoe : Ry Tompo o, ny vahoakako, Ry Tompo o, ny vahoakako, Ry Tompo o, ny vahoakako, Dia ekena ny fanelanelanana nataony. Ho lazaina aminy hoe : Ry Mohammad, ampidiro avy amin'ireo vahoakanao ireo izay tsy mandalo fitsarana amin'ny vavahady havanana amin'ny Paradisa, ary ho miaraka amin'ny olona ao amin'ny vavahady hafa izy ireo. Dia hoy izy : “Mianiana amin'ilay mitazona ny fanahiko eo am-pelatànany aho, ny eo anelanelan’ny vavahady roa dia ny vavahadin’ny Paradisa, toy ny eo anelanelan’i Lameka sy Sana’a any Yemen, na eo anelanelan’i Lameka sy Bosra ao any syrie, dia ny tanànan’i Haorana.فوائد الحديث
Ny fanetren-tenan’ny Mpaminany (S.A.W) namaly ny fanasana ary niara-nisakafo tamin’ny ankamaroan’ireo mpanaradiany.
Fitiavana bebe kokoa ny Mpaminanintsika (S.A.W) mihoatra noho ny olona rehetra.
Hoy AL-QAADI Iyad : Nolazaina hoe : Ny lehibe dia izay mihoatra ny olony ary atahorana amin'ny fotoan-tsarotra, ary ny Mpaminany (S.A.W) no lehiben'izy ireo eto an-tany sy ny any ankoatra, ary natao manokana ny andro farany noho ny hitsanganan’ireo mpanapaka eo, ary hanaiky Azy avokoa izy rehetra, ary satria ho eo ambanin’ny fanevany i Adama sy ny zanany rehetra.
Ny fahendrena fonosin'ny fanomezan'I Allah aingam-panahy azy ireo hanontany an’i Adama sy ireo nanaraka azy, tany am-piandohana, ary tsy nahazo tsindrimandry izy ireo hangataka ny Mpaminany Mohammad, mba hanehoana ny voninahiny, fa izy no miakatra amin'ny toerana ambony sy akaiky tanteraka.
Azo ataon'ny mpanompo sahirana mila tànana ny milazalaza ny toetra tsara indrindra momba ilay manam-pahefana. Mba ho mora kokoa ny mamaly.
Azo atao ny miala tsiny amin’ny fomba ankasitrahany ny olona anontaniana momba ny raharaha iray izay tsy hainy atao, ary tsaratsara ho an’izay mihevi-tena ho mahavita azy kokoa ny mitarika azy.
Fanazavana ny horohoron'ny toe-javatra sy ny hamafin'ny famoriana ny mpanompo amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty.
Ny fanetren-tenan’ireo mpaminany rehefa nahatsiaro ny lasany; Ny fahatsapana fa ambany noho io toerana io izy ireo.
Porofon'ny fanelanelanana lehibe indrindra amin'ny andro fitsanganana amin'ny maty, dia ny fisarahana eo amin'ny samy olombelona.
Porofon'ny fanelanelanana sy ny toerana mendrika ny irak'Allah (S.A.W).
Tsy manam-pahataperana ny fiderana an’I Allah Tsitoha, noho izany nosokafan'I Allah ho an’ny Irany izany toerana fiderana tsara ho azy izany zavatra izay tsy nosokafany tamin’iza na iza teo alohany.
Fanazavana fa ny vahoakan'i Mohammad no vahoaka tsara indrindra, Izy ireo dia manana toetra manokana amin'ny fidirana ao amin'ny Paradisa, satria ireo izay tsy mandalo fitsarana amin'zy ireo dia miditra amin'ny vavahady manokana, ary mandray anjara amin'ny olona amin'ny sisa amin'ny vavahadin'ny paradisa sisa tavela.
التصنيفات
Ny fiainana any an-koatra