I Mpaminany (S.A.W) dia nanozona ny lehilahy mitafy fitafin'ny vehivavy sy ny vehivavy mitafy fitafiny

I Mpaminany (S.A.W) dia nanozona ny lehilahy mitafy fitafin'ny vehivavy sy ny vehivavy mitafy fitafiny

Tatitra azo avy tamin'i Abo horaira (R.A) niteny : I Mpaminany (S.A.W) dia nanozona ny lehilahy mitafy fitafin'ny vehivavy sy ny vehivavy mitafy fitafiny.

[Mari-pototra]

الشرح

Ny Mpaminany (S.A.W) dia nangataka ny fandroahana sy ny fanesorana amin'ny famindram-pon'I Allah ny lehilahy rehetra izay maka tahaka ny vehivavy amin'ny fitafy, na eo amin’ny bika aman’endrika, na loko, na fomba, na fomba fitafy, na haingo, na zavatra hafa, Na koa ho an'ny vehivavy maka tahaka ny fitafian'ny lehilahy, izay fahotana lehibe.

فوائد الحديث

Hoy i Al-Shawkani : Voarara amin'ny vehivavy ny maka tahaka ny lehilahy ary ny lehilahy maka tahaka ny vehivavy. Satria ny ozona dia mihatra amin'ny asa voarara.

Hoy I Ibn Othaymeen : Izay iraisan'izy ireo, toy ny akanjo sasany anaovan'ny lehilahy sy vehivavy, dia tsy misy maharatsy izany, izany hoe tsy misy maharatsy ny manao izany ny lehilahy sy ny vehivavy Satria miaraka.

التصنيفات

Ny fakana tahaka voarara, Ny lamba sy ny fitafiana